Auteur/autrice : Adnews

FANTINA sy FINTINA

Nandray ny toerany maha tale jeneralin’ny Serasera, eo anivon’ny minisiteran’ny Serasera sy ny kolontsaina, azy i Botomiarana Donald Judicaël Tavao, omaly. Natao tetsy Anosy ny fifamindram-pitantanana teo aminy sy ny tale jeneraly teo aloha, Ratrimonirina Elias. “Tsy mora ny asa saingy olon’ny serasera isika ka misokatra”, hoy izy. Nambaran’ny depiote […]

Depiote Andriamampandry Todisoa : “Tsy maintsy miteny ny mpanohitra”

“Tadiavina hofongorina ny fanoherana eto Madagasi­ka­ra. Hamerina fitondrana jadona izany no misy? Efa ao anatin’ny demokrasia izao, fahafahan’ny olona ny miteny. Tsy maintsy miteny sy maneho ny heviny ny mpanohitra”. Io ny fanehoan-kevitry ny depiote Tim eo anivon’ny vondrona Fi­raisankina voafidy tao Antana­narivo VI, Andriamampandry Todisoa, momba ny anjara toeran’ny […]

Onja miabo

  Migadona indray ny andro malaza ho an’ny kitra malagasy. Hotanterahina any Casablanca, anio, ny lalao hi­fandonan’i Centrafrique sy ny Barea. Malahelo ny mpan­ka­fy amin’ny tsy fahafahana manatrika sy manohana ny ekipa. Iaraha-mahalala ny famaizana ataon’ny Kaonfe­derasionina afrikanina momba ny baolina kitra noho ny resaka kianja. Tsy hatao resabe ny […]

Fanotofana tany tsy ara-dalàna : Mitohy ny hetsiky ny borigady manokan’ny MFFT

Nanamafy ny hetsika efa nataony ny eo anivon’ny minisiteran’ny Fitsinjaram-pahefana sy ny fanajariana ny tany (MFFT). Tsy handefitra amin’ny tsy fanarahan-dalàna ny eo anivon’ny borigady manokana ao amin’ny minisitera. Hiara-kiasa amin’ny Api­pa ity sampana manokana ity ary hijery sy hanara-maso ny fampanajana ny fenitra eo amin’ny fanorenana sy ny fanajariana […]

TSELATRA

Fandrobana Cash point iray tetsy Ambo­lokandrina Tsena, ny 5 marsa lasa teo. Voasambotry ny polisy avy amin’ny CSP2 omaly maraina indray ny jiolahy iray hafa nanatanteraka ny asa fandrobana tao amin’io Cash point io, raha toa ka tratra afakomaly hariva ny lehilahy tratra nisokitra ny sakaosy nisy vola mitentina 8 […]