Tontosa soa aman-tsara tany Ihosy, ny sabotsy lasa teo, ny fiadiana ny tompondakan’i Madagasikara, taranja cross-country. Fifaninanana nokarakarain’ny Federasionina malagasy (FMA). Voahosotra ho tompondaka teo amin’ny Senior, vehivavy, i Sendrafefinirina Marie avy amin’ny Cam Itasy. Vitany tao anatin’ny 35 mn 19 s ny halavirana 10 km. Resiny, Ralisinirina Mathe, avy […]
Auteur/autrice : Adnews
Tsipy kanetibe: Lasan’ny ekipan’ny UBM ny vola 2 tapitrisa Ariary
Nanjakan’ny ekipan’ny UBM Ambohitrimanjaka ny famaranana teo amin’ny sokajy Sénior, lehilahy, nandritra ny fiadiana ny amboara nanokafana ny taom-pilalaovana ho an’ny taranja tsipy kanetibe. Lasan-dry zalahy ny lelavola sy ny amboara. Norombahin’i Rija sy Yves ary i Jacky, mpilalaon’ny UBM Ambohitrimanjaka ny lelavola 2 tapitrisa Ar miampy amboara teo amin’ny […]
Raboanaritompo Jessica Soary : Manana tanjona hitarika ny vehivavy hitia fanatanjahantena
Nanaovana fanadihadiana mahakasika ny anjara toeran’ny vehivavy eo anivon’ny fiarahamonina ilay mpikatroka karate, Jessica Soary. Manana fanamby goavana ny tenany ary hiezaka hatrany izy hanatratra izany. Amin’izao fotoana izao, mbola maro ny vehivavy tsy afaka mivelatra amin’ny sehatra maro. Manoloana izany, miezaka ny mampiseho ny maha zava-dehibe ny vehivavy eo […]
Fambolen-kazon’ny ANTM : Hamelo-maso ny zavamaniry fanao fanafody
Nanatanteraka fambolen-kazo tany Ankazomalaza, Ambohimanga Rova, ny Fikambanan’ny mpitsabo nentim-paharazana (ANTM), ny faran’ny herinandro teo. Efa nanatanteraka izao hetsika izao izy ireo tao anatin’ny efa-taona nisesy. Hetsika natao hitarihana ny mpikambana rehetra mba hiaro ny tontolo iainana, araka ny lalàna amam-pitsipika mifehy ny ala. 15 000 eo ho eo ireo […]
First Global Challenge 2025: Fantatra ny ekipa handray anjara
50 ny mpifaninana nisafidianana ireo tanora hisolo tena ny ekipa malagasy nataon’ny STEM For Good, amin’ny hetsika “First Global Challenge 2025”, hatao any Panama City, ny 29 oktobra hatramin’ny 1 novambra ho avy izao. Fifaninanana maneran-tany momba ny robotika ho an’ny tanora latsaky ny 18 taona izy ity ary tontosa […]




