Auteur/autrice : Adnews

SOMBIM-BAOVAO

Hifanandrina amin’ny dingana manasa-dalana, fiadiana ny ho tompondakan’ny seksiona Antananarivo Renivohitra, taranja basikety, ny ekipan’ny Cosfa sy ny SOE, sokajy latsaky ny 16 taona, lehilahy. Lalao hotanterahina eny amin’ny Kianja Barea Mahamasina, ny faran’ny herinandro izao. Hanatanteraka fivoriambe ny eo anivon’ny ligin’Analamanga, taranja basikety, ny zoma 21 marsa izao. Fivoriambe […]

Volley Afrika- sokajy lehilahy: Hanoman-tena mafy ny GNVB

Taorian’ny niatrehana ny fiadiana ny amboaran’ny klioba tompondaka eto amin’ny faritra faha-7, taranja volley-ball, natao tany Maorisy farany teo, tafakatra hiatrika ny fiadiana ny tompondakan’i Afrika ny ekipan’ny GNVB (Gendarmerie nationale de volley-ball), sokajy lehilahy. Fifaninanana izay hatao any Lybie, ny 17 hatramin’ny 30 avrily izao. Nambaran’ny filohan’ny klioban’ny GNVB, […]

Seksiona marovatana: Hiatrika famaranana ny Polisy monisipaly

Tontosa ny alahady 9 marsa teo, tetsy amin’ny Kianja Malacam Antanimena ny manasa-dalana hiadiana ny ho tompondakan’ny seksiona marovatana, taranja rugby. Tafita hiatrika ny famaranana ny Polisy monisipaly Antananarivo Renivohitra. Resin’izy ireo, tamin’ny isa 13 no ho 11, ny Zaami Ankasina. Nambaran’ny kaomisera Ostrom fa anisan’ireo taranja misy ao amin’izy […]

Komity mpanatanteraka anivon’ny Caf: Kandidà Randriamanampisoa Alfred, filohan’ny FMF

Anisan’ireo anatin’ny lisitra hofidina ho komity mpanatanteraka eo anivon’ny Caf Randriamanampisoa Alfred, filohan’ny Federasionina malagasin’ny baolina kitra (FMF). Andrasana anio ny vokatra. Hotanterahina anio, any Le Caire renivohitr’i Egypte, ny fifidianana izay ho filohan’ny Kaon­federasiona afrikanin’ny baolina kitra (Caf) sy izay ho komity mpanatanteraka. Kandidà tokana ho laniana amin’ny tehaka […]

TSELATRA

Ravan’ny zandarimaria avy ao amin’ny bori­gadin’Andoharanofotsy ireo tambajotra mpamaky trano sy mpangalatra moto. Nahitana lehilahy efatra niaraka tamin’ireo entana nangalariny sy efa nolokoiny avy. Mpisera finday halatra, mpandoko moto, mpividy halatra ary mpiray tsikombakomba. Nisy namaky ny trano iray tao Andoharanofotsy, ny alin’ny 11 hifoha 12 febroary 2025 lasa teo. […]