Auteur/autrice : Adnews

Ceni : “Tokony hatao ny fifidianana izay hitantana ny faritra”

Nitondra ny fanehoan-keviny momba ny fifidianana izay hitantana ny faritra ny Ceni, omaly. Tokony hirosoana izany, araka ny nambaran’Andriamarotafika Soava, mpampaka-teny. Tokony hatao ny fifidianana izay hitantana ny faritra, raha ny nambaran’ny mpampakatenin’ny Ceni, Andriamarotafika Soava, teny Alarobia, omaly, raha nanontaniana ny tohin’ny fanatanterahana fifidianana manaraka taorian’ny fifidianana ben’ny Tanàna […]

TSELATRA

Vehivavy iray tratran’ny fokonolona saika hangala-jaza tao akaikin’ny Stadium Barikadimy, omaly maraina. Niatomboka tamin’ny fangalarana ny kavin’io zaza 6 taona io izany, ka tsikaritry ny olona. Tezitra ireo nahita maso ka saika hamono hahafaty azy. Tonga teny an-toerana ny mpitandro filaminana nisambotra io vehivavy io. Efa tazomina sy hanaovana famotorana […]

Ambatomirahavavy: Lehilahy 24 taona, hita faty tany anaty ranovory

Lehilahy iray, 24 taona, hita faty tany anaty ranovory, tany Ankadibe, fokontany Antanety, kaominina Am­ba­nivohitra Ambatomirahavavy, distrikan’Arivonimamo, omaly maraina. Naharay antso avy amin’ny olon-tsotra mahakasika io tranga io ny mpitandro filaminana avy amin’ny tobim-paritra Ambatomirahavavy, omaly tamin’ny 7 ora maraina. Nidina nijery ifotony ny zandary telo sy ny mpitsabo ao […]

Saika hiondrana any Mayottes : Olona 6 voasambotry ny zandary

Zaza miisa roa sy olona efatra hafa saika ho any Mayottes nosamborin’ny zandarimaria eo anivon’ny tobim-paritra Ambanja, tao Antsahampano, kaominina Ambanja, ny 1 marsa teo, tamin’ny 8 ora alina. Nahazo loharanom-baovao, nanamarina ny zava-misy tao amin’ny tokantrano iray anatin’io fokontany io ny mpitandro filaminana. Tompon’andraikitra amin’ny fandefasana ireo olona ireo […]