Hanampy an’i Madagasikara amin’ny fandrafetana ny paikady fampiasam-bola, hijerena ireo olana sy vahaolana mifandray amin’ny fiovan’ny toetr’andro «Climate prosperity plan » (CPP), indrindra amin’ireo torolalana lehibe amin’ny sehatry ny fampiasam-bola sy ny loharanom-bola iraisam-pirenena ireo iraky ny V20. Nisy ny fivoriana niarahany tamin’ireo tomponandraikitry ny minisiteran’ny Toekarena sy ny fitantanam-bola sy […]
Auteur/autrice : Adnews
Nandritra ny taona 2024: Nampidi-bola 12,1 miliara Ar ny makamba
Seha-pihariana anisan’ny mamelona tokantrano maro sy mampidi-bola ny jono. Ny taona 2024, mitotaly hatrany amin’ny 12 miliara Ar ny vola niditra tao amin’ny kitapombolam-panjakana tamin’ny alalan’ny makamba. Misanda hatrany amin’ny 131 tapitrisa Ar ny totalim-bidin’ireo vokatra naondrana. Porofo izao fa mampidi-bola betsaka ny toekarena manga ary manome asa ho an’ny […]
Fambolena sy fiompiana: Tokantranona tantsaha miisa 13 322 hanaovana fanadihadiana
Hamolavolana ny politikam-pampandrosoana ny fanadihadiana momba ny fambolena sy ny fiompiana atao eny anivon’ny tokantrano. Hamaritra ihany koa ireo paikady ara-toekarena hanatsarana ny fihariana sy ny toekarem-pirenena. Hotanterahina mandritra ny iray volana, manomboka ny volana marsa ka hatramin’ny avrily, ny fanadadihadiana momba ny fambolena sy ny fiompiana, taona 2024. «Tokantranona […]
Harena voajanahary: Tandindomin-doza ny 50% ny tanalahy
Ankoatra ny varika, anisan’ny biby mampiavaka an’i Madagasikara ny tanalahy na sy ny tarondro. Mila arovana izy ireny, satria ahina ho lany tamingana nefa manana ny lanjany sy miavaka. Vitsy mpahalala! Miisa 217 ny karazana tanalahy, antsoina koa hoe tarondro, fantatra maneran-tany, ka tsy hita raha tsy eto Madagasikara ny […]
TARATRY ny KANTO
Tanterahina eto Antananarivo ny dingana faharoa amin’ny « Poésie des 4 Horizons ». Nanomboka ny 2 marsa teo, tsy hifarana raha tsy ny 9 marsa. Hafatra ho an’ny fandriampahalemana, antso ho an’ny tanora no hampitain’ireto mpanoratra mandalo eto Madagasikara ireto. Ny 7 marsa izao, manomboka amin’ny 7 ora hariva, ao amin’ny Cité […]




