Auteur/autrice : Adnews

PAM : Solontena vaovao i Tania Goossens

Tania Goossens no solontena vaovaon’ny fandaharanasan’ ny Firenena mikambana momba ny sakafo (Pam) eto Ma­da­­ga­sikara. Nanolotra ny taratasy manendry azy amin’izany andraikitra izany tamin’ny minisitry ny Raharaham-bahiny, Rasata Rafaravavitafika, ny tenany tamin’ity herinandro ity, teny Anosy. Efa niasa teo anivon’ny Pam tany Guatemala sy Pérou izy momba ny fiahiana ara-tsakafo […]

Fanamarihana ny Andron’ny vehivavy: Hotokanana ny ivontoerana any Mahajanga

Nitondra fanazavana ma­hakasika ny fanamarihana ny Andro iraisam-pirenena ho an’ny vehivavy izay hotanterahina any Mahajanga ny minisitry ny Mponina sy ny firaisankina, Razafinjato Aurélie, omaly, tetsy Ambohijatovo. Fitovian-jo sy fizakan-tena ho an’ny vehivavy no lohahevitra hovoizina amin’ity taona ity. Eo ambany fiahian’ny va­din’ny filoham-pirenena, Rajoelina Mialy, ny fankalazana rehetra hatao. […]

Fitsaboana nentim-paharazana: Mila fehezina ny gaboraraka, misy ireo tsimatimanota

Mahasarika ny Malagasy ny mitsabo tena eny amin’ireo mpitsabo nentim-paharazana. Anjakan’ny gaboraraka anefa izany asa izany ka manao fanairana sy fampahatsiahivana ny minisitera. Mirongatra ny tsy fanarahan-dalàna eo amin’ny asa fitsaboana nentim-paharazana, ankehitriny. Ma­noloana izany, namoaka naoty fampahatsiahivana ny minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka ahafahana manarina ny lesoka. Tokony hanana taratasy fahazoan-dalana avy […]

Andrianaivo Lalao: Lasa farofy ny zanany ka hamita ny andiam-baksiny rehetra izy 

Tsy vita vaksiny ny zanak’Andrianaivo Lalao fa nafana hoditra izy tamin’ny fotoana tokony ho nanaovany izany. Tsy navelan’ny vadiny hoentina handray vaksiny ilay zaza, araka izany. Tratran’ ny orana ny trano ipetrahan’izy ireo taty aoriana ka lena tao ny karinem-baksiny dia rovitra tanteraka. Vonona hanohy vaksiny tsy mbola vita anefa […]