Auteur/autrice : Adnews

Distrikan’i Marovoay: Tsy mbola laharam-pahamehana ho an’ny ray aman-dreny ny fanaovam-baksiny

Ilaina ho mafonja kokoa ny fanentanana ny isan-tokantrano momba ny tombontsoa azo avy amin’ny fanaovam-baksiny ny ankizy latsaky ny 5 taona. “Tsy tokony ho andraikitry ny mpiasan’ny fahasalamana sy ny AC ny fandresen-dahatra fa manana anjara biriky daholo ny isam-batan’olona », hoy ny mpitsabo mpanara-maso ny fahasalamana ao amin’ny distrikan’i Marovoay. “Sarotra […]

FANTINA sy FINTINA

Niantso ny tokony hitandroana ny voninahitry ny anjerimanontolo ny filohan’ny Antenimieran­doholona, ny Jly Ravalomanana Richard, omaly. Nandray ireo mpianatra Mafami, ny tenany tamin’izany. “Tsy tokony hanaiky ho atao fitaovana politika ianareo fa tokony ho fitaratra amin’ny fitondran-tena sy hilofo amin’ny fianarana”, hoy izy. Misaona ny tontolo politika. Nodimandry, omaly ny […]

Samifin – Ady amin’ny kolikoly : Misokatra ny fandraisana tale jeneraly vaovao

Manakaiky ny faran’ny fe-potoam-piasana, 2021-2025, ny tale jeneralin’ny Sam­pandraharaha misahana ny ady amin’ny famotsiam-bola (Samifin) amin’izao, Rajao­nari­son Mamitiana. Nosoka­fan’ny Komity mitandro ny fahitsiana (CSI) tamin’ny tambojotran-tserasera, omaly, ny dingana fandraisana tale jeneraly vaovao amin’izany. Ani­san’ny antoky ny fahaleovantenan’io sampandraharaha io ny fomba fandraisana ny tale jeneraly. Antoky ny fitondrana tsara […]

Mila mijoro!

  Trangam-piarahamonina mahazo vahana amin’izao fotoana izao ny fibodoana tany ataon’ny olona mpanam-bola sy manam-pahefana. Ireo tantsaha any ambanivohitra no mahita faisana. Miseho amin’ny endriny maro ny halatra, manginy fotsiny ny fanambakana. Miaritra ny mafy sy tsindrihazolena ireo marefo sy tsy misy mpiaro. Manao ilay tsindriofalavo ny ankamaroan’ny Mafia. Ny […]

Jly Ravalomanana Richard : “Ohatra ho an’ny mpanao politika Avaradrano”

Notanterahina omaly ny fametrahana samboady ireo ben’ny Tanàna miisa 16 eny amin’ny distrikan’Avaradrano. Nanafatra sy nanome toromarika azy ireo ny filohan’ny Antenimierandoholona, ny Jly Ravalomanana Richard tamin’ ny lahateniny. “Mahavelombolo ny mahita ny firaisankina asehon’ireo ben’ny Tanàna na samy ma­nana ny firehan-kevitra politikany aza. Ohatra tsara azon’ireo mpisehatra politika rehetra […]