Hotontosaina any Paris, ny 27 sy 28 marsa ho avy izao, ny fihaonambe iraisam-pirenena hampandrosoana ny ady amin’ny tsy fanjarian-tsakafo maneran-tany (N4G). Napetraka ny taona 2013 ny N4G ary tanterahina isaky ny efa-taona ka ny firenena mampiantrano ny fifaninanana amin’ny lalao Olimpika sy ny Olimpika natao ho an’ny atleta manana […]
Auteur/autrice : Adnews
SOMBIM-BAOVAO
Nanainga omaly, tetsy Ivato, ny delegasiona malagasy, Makis Sevens, lehilahy. Hiatrika ny “Challenger Series 2025” izy ireo. Fifaninanana hotanterahina manomboka anio hatramin’ny 10 marsa ho avy izao, any Cape Town Afrika Atsimo. Tsiahivina fa maro ny fanovana natao tamin’ity ekipam-pirenena ity, anisan’izany ny tsy maha eo an’i Hery Zhino, mpilalaon’ny […]
Kung fu Wushu : Mbola nomen’ny ligy fitokisana ny Maître Gao
Nanatanteraka fifidiananana ny ho filohan’ny federasiona ny eo anivon’ny taranja kung fu Wushu, ny faran’ny herinandro teo, tetsy 67Ha. Mbola nomen’ny ligy fitokisana Ramaherison José na ny Maître Gao, ka nolanian’ny ligy 7 hitantana ny federasiona mandritra ny 4 taona manaraka indray. Ligim-paritra 7 (Analamanga, Vakinankaratra, Itasy, Atsimo andrefana, Alaotra […]
Tenisy Afrika – U14: Eo ho eo ny vokatra ho an’ny Akomba
Tanterahina any Kenya, nanomboka ny alatsinainy lasa teo, ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika, taranja tenisy, ho an’ny sokajy U14, lahy sy vavy. Anisan’ireo firenena mandray anjara amin’izany i Madagasikara. Eo ho eo ihany ny vokatra ho an’ny mpilalaon’ny Akomba de Madagascar. Teo amin’ny lalao ho an’olon-tokana, vehivavy, resy teo […]
“Afrobasket 2025” : Top 5 amin’ny mpilalao mendrika i M’Madi sy i Sitraka
Nisongadina ny Malagasy mpilalao, nandritra ny dingana faran’ny fifanintsanana amin’ny “Afrobasket” notanterahina ny faran’ny herinandro teo. Tafiditra Top 5 i Mathias M’Madi sy Raharimanantoanina Sitraka. Mbola maresaka sy eny am-bavan’ny maro hatramin’izao ny nahazoan’i Madagasikara ny tapakila hiatrehana ny “Afrobasket 2025”, ny volana aogositra izao, any Angola. Anisan’ny firenena nisongadina […]




