Nanatanteraka fambolen-kazo teny Ambatonapoaka, distrikan’Arivonimamo, ny sabotsy teo, ny antoko politika Fivoi-Fivoarana. Nitarika izany ny depiote Rajerison Antoine, sady filoha nasionaly mpanorina ny antoko, niaraka tamin’ireo solombavahoaka sy ben’ny Tanàna voafidy amin’ny anaran’ny antoko, notronin’ireo tantsaha maro. Novolena tamin’ny velaran-tany 10 ha, nandritra izany, ny zana-kazo manodidina ny 5 000 […]
Auteur/autrice : Adnews
Alaotra Mangoro: Zokiolona 700 nahazo fanampiana
Nitondra tantsoroka, nahitana vary sy menaka ary lamba firakotra ho an’ireo zokiolona miisa 700, ny minisitry ny Mponina sy ny firaisankina, Razafinjato Aurélie, sy ireo mpiara-miasa aminy nandritra ny fandalovany tao amin’ny faritra Alaotra Mangoro. Zokiolona miisa 300 tao Ambatondrazaka, 200 tao Amparafaravola ary 200 tao Andilamena. Niara-nisalahy tamin’ny fitsinjarana […]
Antananarivo Renivohitra: Tsy manohana na manohitra befahatany ny RTM
Naneho hevitra momba ny vinan’asan’ny ben’ny Tanànan’Antanananarivo Renivohitra ny RTM, omaly. Hanohana izany izy ireo raha mitera-bokatsoa, araka ny nambarany. “Manohana ny vinan’asa izahay, raha ohatra mitera-bokatsoa ho an’ny tanàna sy ny mponin’Antananarivo”. Io ny fanehoan-kevitry ny mpanolotsaina monisipaly eo anivon’ny kaominina Antananarivo Renivohitra avy amin’ny antoko Refondation totale de […]
INDRAY MIJERY
Hitohy hatrany ny fijerena ny fahasalaman’ny reny sy ny zaza mahakasika ny fanaovana vaksiny. Ezaka iray lehibe natomboky ny filohan’ny Repoblika nanomboka ny taona 2019 ny fanovana ny vata fampangatsiahana fitehirizam-bakisiny handeha amin’ny herin’ny masoandro. Heverina ho tratra anatin’ity enim-bolana voalohany amin’ity taona ity ny tanjona ka handeha amin’ny herin’ny […]
Faritra andro ratsy: Manambana ny any Atsimo Andrefana
Misy faritra andro ratsy roa mivoatra miadana manodidina an’i Madagasikara. Ny iray mitoetra any atsinanan’ny morontsiraka afovoany atsinanan’ny Nosy ary ny faharoa kosa ao amin’ny lakandranon’i Mozambika. Ity farany izay manambana ny tapany atsimo andrefan’ny Nosy, any amin’ny faran’ny herinandro. Mbola mitoetra eto amin’ny Nosy ny ampahan’ny Zone de convergence […]




