Auteur/autrice : Adnews

Fampiasam-bola vahiny (IDE): Tafakatra 418 tapitrisa dolara ny eto Madagasikara

Mihatsara ny sehatry ny fampiasam-bola vahiny (IDE) eto Madagasikara na mbola maro aza ireo ezaka tokony hatao. Mam­pit­ombo ny fiforonana asa sy mampandroso ny toekarena ary mampiroborobo ny tontolon’ny fandraharahana ny fisarihana mpampiasa vola vahiny. Firenena mbola anisan’ny mahasarika ireo mpampiasa vola i Madagasikara. Maro ireo sehatra mbola malalaka sy […]

TARATRY ny KANTO

Tsy ho ela dia afaka miverina mamaky boky ao amin’ny IKM Antsahavola indray ireo efa zatra izany. Nanolotra boky vaovao ho an’ity Ivokolo ity ny Librairie Il Etait Une Fois sy ny fikambanana Trait d’Union. Boky vaovao ho an’ny ankizy, ny tanora ary ny lehibe ireo. Misy ho an’ny mpianatra […]

Fanabeazana sy fitaizana: Vitsy mpisehatra ny fanoratana angano

Ry « Ikotofetsy sy Imaha­ka » efa navalon’ny taona ela. Efa hadinon’ny Malagasy ny fisiany. Tao anatin’ny 20 taona, nihena ny isan’ny mpanoratra angano. Rabenandra­sana Lalao, Arikom’s Randria, Ny Eja… Ireny anarana ireny hatrany no heno, fa ny hafa? Anisan’ny sarotra ny fanoratana angano, satria, maro ireo tsy maintsy hajaina. Antony iray […]

« Sehatry ny mpanoratra »: Hisy ny fihaonana amin’i Fanja Razah

Anisan’ireo mpanoratra mampamiratra ny teny malagasy izy. Hampahafantarina anatin’ny « Sehatry ny mpanoratra » i Fanja Razah sy ny sanganasany. Hisy ihany koa ny fihaonana mivantana aminy. «Manan-jo ny Teny no manan-tsata ihany koa, ka … andriano ho zary hasina hanasinan-Tanindrazana ny Tenindrazanao » Andalana notsongaina ta­min’ilay tononkalo “Izay resy… mandro an’ava!”, […]

FANTINA sy FINTINA

Niarahaba ny filohan’ny Repoblika, Rajoelina Andry, ny governemanta manontolo, tarihin’ny Praiminisitra, Ntsay Christian, amin’ny nahavoahosotra azy ho « Mpitarika politika afrikanina mendrika ho an’ny taona 2024 » izao. “Maro ireo vina sy fanambin’ny fampandrosoana napetrany amin’ny sehatra rehetra ho an’ny vahoaka”, hoy ny fanambarana. Hotanterahina, anio, ao amin’ny kaominina Mandrosoa, Mandrosohasina, distrikan’Andramasina, […]