Hotontosaina rahampitso, eny Mahitsy, ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara, taranja fiara, kodiaran-droa, Motocross Enduro. Araka ny vaovao navoakan’ny Federasiona malagasin’ny Moto (FMaM), natao « Endurance Cram » ny anaran’ny fifaninanana. Tsiahivina fa ity ny fanokafana ny taom-pilalaovana 2025 ho an’ny sokajy Enduro. Hatao anio, eny amin’ny Akademia nasionalin’ ny fanatanjahantena ANS […]
Auteur/autrice : Adnews
« Afrobasket 2025 » : Resin’i Côte d’Ivoire, 106 no ho 73, ny Ankoay
Nanomboka omaly, teny amin’ny Lapan’ny fanatanjahantena Mahamasina, ny dingana faran’ny fifanintsanana “Afrobasket 2025”. Resin’ny Elefantan’i Côte d’Ivoire, 106 no ho 73, ny ekipan’ny Ankoay Madagasikara. Tsy mbola tao amin’ny Ankoay ny vintana, nandritra ny andro voalohany, dingana faran’ny fifanintsanan’ny “Afrobasket 2025”. I Kiady, i Sitraka, i Faralahy, i Johan ary […]
BNGRC: Tafakatra 12 ny maty noho ny orambe
Tafakatra 12 ireo namoy ny ainy vokatry ny loza nateraky ny ora-mikija raha ny isa navoakan’ny BNGRC, omaly. Tafakatra 17 908 ireo traboina, tao anatin’ny tokantrano 4 712. Teto Analamanga avokoa ny 158 627 tamin’ireo ary tany Menabe ny 2 164. Mizara amin’ny toerana samihafa ny ambiny. Olona 10 468 […]
«Orange Summer Challenge 2024 »: Tompondaka maneran-tany i Madagasikara
Azon’i Madagasikara ny laharana voalohany amin’ny fifaninanana “Orange Summer Challenge”, andiany faharoa, tamin’ny alalan’ny tetikasa « Plastikôo ». Loka mitentina 28 000 euros no azon’ireo ekipa malagasy. Hetsika natao tany Casablanca-Maroc, ny alakamisy teo. Nisongadina ny Malagasy tamin’ny tetikasany izay mifototra amin’ny fanodinana ny fako plasitka ho fitaovam-panorenan-trano lovainjafy. Tanjona ny hampihena ny […]
Rano miakatra : Mampirongatra aretina maro
Fotoana iray anisan’ny mampirongatra aretina maro eo amin’ny mponina ny fiakaran’ny rano, rehefa fotoan’ny orana tahaka izao. Mifangaro sy miparitaka amin’ireny rano ireny avokoa ny maloto rehetra, eny fa hatramin’ny any anaty lava-piringa aza. Feno rano ny trano, ny lalana hizorana sy ny manodidina rehetra. Lasibatra indrindra amin’izany, ireo olona […]




