Andro aman’alina ny asa atao hamitana ny pipeline Mandrare-Sampona. Hovitaina amin’ny volana ambony ny fotodrafitrasa raha ny vina napetraka. Efa vita ny 85% amin’ny asa fanorenana ny tetikasa pipeline Mandrare-Sampona, raha ny tatitry ny governoran’ny faritra Anosy, Rakotovelomanantsoa Voahary. Vinavinaina ho vita tanteraka amin’io volana marsa io ny fotodrafitrasa rehetra. […]
Auteur/autrice : Adnews
Paikady nampiharina tamin’ny tanàn-dehibe : Mampitombo ny isan’ny zaza vita vaksiny ny fitetezana tokantrano
Mifototra amin’ny asa telo ny fanatanterahana ny paikady ACC, hampihenana ny isan’ny zaza tsy vita vaksiny ho an’ny tanàn-dehibe. Hamafisina ny fanatrarana ny zaza tokony hisitraka vaksiny ka mandeha eny ifotony ny mpisehatra, misy ny fanaraha-maso ny asa vita ary farany ny fanomezana fitaovana hanatanterahana ny asa. Mamatsy vola ny […]
TARATRY ny KANTO
Ilay finiavana politika no tsy misy. Atosika mafy. Omena hery sy vahana ny fananganana sekoly miteny sy mampiasa ny foto-panabeazana frantsay eto Madagasikara. Ho an’ny « Reny Malala », zarany aza mbola afaka mamatotra zanatany amin’ny lafiny maro izy. Fa ny Malagasy? Manahirana sy mety hamotika ny taranaka malagasy ny fampiasana ny […]
Kabeson’ny Ampanjaka Toera : Ho tonga eto ny voalohandohan’ny avrily
Kely sisa! Nizotra antsakany sy andavany ny paikady rehetra hampodiana ny kabeson’ny Ampanjaka Toera, sy ny an’ireo miaramilany roa lahy, izay miranty ao amin’ny Musée des Hommes any France, amin’izao fotoana izao. Nisy indray ny fihaonana teo amin’ny fianakavian’ny Ampanjaka sy ireo olobe Sakalava, niaraka tamin’ireo olom-boafidy avy amin’ny faritra […]
« Lunar Codex 2025 » : Hisy zavakanto alefa eny amin’ny volana !
« Manonofy ny kintana amam-bolana », hoy ny Malagasy izay… Fa ity kosa tsy nofy intsony satria tetikasa ambivitry ny hotanteraka, satria efa aman-taonany no nanomanana azy. Natao hanangonana tahirin-javakanto maro karazana, avy amin’ny firenen-drehetra, ka halefa ho voatahiry eny amin’ny volana ny « Lunar Codex 2025 ». Misy sanganasan’ny mpanakanto malagasy 10 ao […]




