Auteur/autrice : Adnews

Fiarahamonina sy fanabeazana: Mitady ho difotry ny fanatontoloana ny teny ibeazana

Omaly, anisan’ny nanamarika ny « Andro iraisam-pirenena ho an’ny teny ibeazana » i Madagasikara. Saika niompana tamina velakevitra sy fifanakalozan-kevitra izany. Nisy ny ampahana hevitra niraisana… Isaky ny mandalo ny 21 febroary. Mankalaza na manamarika ny « Andro iraisam-pirenena ho an’ny tenindreny » na ny « Andro iraisam-pirenena ho an’ny teny ibeazana » ny Malagasy. Teny […]

FANTINA sy FINTINA

Miroso amin’ny dingana fanagiazana ireo harena azo tamin’ny tsy ara-dalàna ny eo anivon’ny Pac sy ny Bianco. Angatahana fankatoavana avy amin’ny fitsarana izany. Anisan’ny tokony hogiazana ny sambo iray sy trano efatra, ahitana hotely iray lehibe. Eo koa ireo trano, rihana enina sy trano fonenana roa ary tany ao Antsirabe […]

Minisitra Andriantsitohaina Naina: “Ento am-pahendrena ny fahefana…”

Mbola nampahatsiahy in­dray ny minisitry ny Fitsin­jaram-pahefana sy ny fanajariana ny tany, Andrian­tsitohaina Naina, omaly, ny amin’ny fitantanana ny kaominina. Nisy ny hafatrafatra sy toromarika nomeny ireo ben’ny Tanàna tany Fianarantsoa. Nanotrona ny fametrahana samboady ho an’ireo ben’ny Tanàna miisa 60 tao Fiana­rantsoa ny minisitra Andrian­tsitohaina Naina, omaly. Nambarany tamin’izany […]

Ilay toe-tsaina!

  Nahafinaritra ny fiaraha-nijery basikety, omaly, teny Mahamasina, ho an’ireo izay afaka nanatrika nivantana. Nampitaintaina ny lalao roa nifanesy, indrindra ilay nandraisan’ny Ankoay anjara. Nifanalavitra ny vokatra ho an’ny Ivoariana sy ny Malagasy, izay resy lavitra. Niady hatramin’ny farany kosa ny ekipan-dry Sitraka sy ry M’Mady, ary Elie. Ny indrokely, […]

Filoha Rajoelina Andry: “Tsy azo atao bontolo ny fitondrana firenena”

Hentitra ny Filohan’ny Repoblika amin’ny fomba fitantanana ny firenena, ankehitriny. Nohamafisiny fa tsy azo ato bontolo izany. Nasiany tsindrim-peo ny tokony hanovana ny toe-tsaina. «Ny fitondrana ny firenena tsy azo atao bontolo hoe te hitondra. Fanomezam-pahasoavana avy amin’An­dria­manitra io» , hoy ny filoha Rajoelina Andry, teny Mana­zary, Betsizaraina Avaradra­no, omaly, […]