Renim-pianakaviana iray, 45 taona, matin’ny herinaratra avy amin’ny andrin-jiron’ny Jirama tetsy Ankazomanga. Naka ny zavatra nalatsaky ny zanany tao anatin’ilay rano izy no nanahavoakasika poto ka niharan-doza. Nosintomin’ny herinaratra teo amin’ny roa segondra teo ity farany. Mangataka ny hitadiavana vahaolana mahakasika ireny poto eny anelanelan-trano ireny ny mponina, mba hisorohana […]
Auteur/autrice : Adnews
Vokatry ny fiakarana tosidra : Vazaha, 75 taona, iray hita faty tao an-tranony
Teratany vahiny iray, 75 taona, hita faty tao an-tranony, omaly tamin’ny 10 ora sy 30 minitra, tao amin’ny fokontany Ambohinambo, kaominina Ambanivohitra Talatamaty, distrikan’Ambohidratrimo. Maty teo am-pandriana natoriany sy nivoaka an-kilaoty izy io, rehefa nojeren’ireo tomponandraikitra. Naharay antso avy amin’ny sefo fokontany any an-toerana, mahakasika io tranga io, ny teo […]
Fanodinkodinam-bola: Lehiben’ny faritra teo aloha nigadra
Naiditra am-ponja ny lehiben’ny faritra Ihorombe teo aloha sy ireo olona efatra hafa niara-nitantana taminy, tamin’ity herinandro ity. Anisan’izany, ny mpitambola teo aloha sy ny mpitambola ankehitriny, ny mpanara-maso ny faritra ary ny mpanampy azy amin’ny fitantanam-bola. Voarohirohy noho ny fanodinkodinam-bolam-panjakana ny antony anenjehana azy ireo, taorian’ny fanadihadiana nataon’ny Bianco. […]
Very ny basiny : Zandary maty nofiraina famaky tao amin’ny hatony
Mirongatra ny asan-jiolahy, zandary iray kilasy ambony no maty novoinin’ny jiolahy tamin’ny famaky tany Imanombo, omaly. Lasan’ireo olon-dratsy ny basy teny aminy. Zandary kilasy ambony iray, antsoina hoe Rakotoky Fahamaro, hita faty teo anelanelan’ny fokontany Betsiriry sy Imanombo, ao anatin’ny kaominina Imanombo, distrikan’Antanimora Atsimo, faritra Androy, omaly tamin’ny 5 ora […]




