Auteur/autrice : Adnews

Fambolen-kazo 2025: Nahavita ny adidiny ny antoko Maitso

Mandray anjara hatrany amin’ny fanamaitsoana ny tontolo iainana ny antoko Maitso, Hasin’i Madagasikara. Nofaranany teny Amba­tomanga, fokontany Beravina, kaominina Soalandy, ny sabotsy teo, ny fambolen-kazo nataony. « Zana-kazo miisa 15 000 novolena sy naparitaka tamina sekoly sy fiangonana ary lalankely samihafa miditra ny tanàna », hoy ny filohan’ny antoko, Alexan­dre Georget. Hazo fihinam-boa, […]

Ivato sy Nosy Be: 1,23 tapitrisa ireo mpandeha, ny 2024

Tsy mitsaha-mitombo! Niisa 975 000 ny mpandeha teny Ivato ho an’ny taona 2024 raha oharina ny taona 2023, nahitana fitomboana 14%. Nitotaly 1 230 000 io tarehimarika io, raha miampy ny mpandeha tany Nosy Be. Tsiahivina fa mitantana ireo seranam-piaramanidina iraisam-pirenena roa ireo ny orinasa Ravinala Airports. Nilaza ny tale jeneralin’ny orinasa, Daniel […]

FifanakalozanA ara-barotra: Tafapetraka ny politika ara- barotr’i Madagasikara

Mahaliana ireo firenena mpikambana eo anivon’ny « Organisation mondiale du commerce » (OMC) ny politika ara-barotr’i Madagasikara andiany fahefatra. Natolotra tamin’ny fomba ofisialy tany Genève, nandritra ny adina natao, ny politika ara-barotr’i Madagasikara andiany fahefatra. Namelabelatra ireo tahirin-kevitra 79 pejy nanoloana ny OMC sy ireo mpikambana miisa 166 ireo delegasionina malagasy izay […]

Vidin-tsolika iraisam-pirenena: Manodidina ny 60 dolara ny iray barila

Tsy voafaritra mazava ny fiovaovan’ny vidin-tsolika amin’ity taona 2025 ity, satria manjavozavo ny toe-draharaha maneran-tany amin’ny lafiny politika sy toekarena. Ankehitriny, mahatratra 74 dolara ny vidin’ny solika iray barila eo amin’ny tsena iraisam-pirenena Brent*, raha 72 dolara ny WTI*. Maro ny antony mampiovaova ny vidiny, mahatonga ny Vondrona firenena arabo […]

TARATRY ny KANTO

Nodimandry ny alahady teo Rakotofika. Anisan’ireo mpanakanto zokiny mpitahiry ny jijy sy ny saovan’Antananarivo izy. Namolavola ireo tanora mpanao sôva, indrindra ry zareo teny Ankazomanga. Anisan’ny mpampiakatra azy mijijy an-tsehatra i Rossy, rehefa manao seho eto Antananarivo. Tsy mandaitra intsony ny ozona? Hevi-diso tanteraka. Misy zava-tsy mitohoka matoa io no […]