Notolorana faneva, omaly, ireo jeneraly miisa 35, andiany taona 2024. Nanamafy ny filohan’ny Repoblika, Rajoelina Andry, nandritra ny lahateny nataony fa iray tsy mivaky ny Foloalindahy malagasy. «Iray tsy mivaky ny Foloalindahy malagasy, miray fo, tsy azo zaraina, tsy azo vakina, miara-misalahy amin’ny fiarovana sy fampandrosoana an’i Madagasikara. Izaho manokana […]
Auteur/autrice : Adnews
TSELATRA
Tovolahy iray eo amin’ny 30 taona eo no hita faty tao anaty tatatra fivarinan’ny rano, tao amin’ny fokontany Ambohibato, Ambohimanambola, afakomaly maraina. Tsy nahitana ratra na vono na iray aza tamin’ny vatany, raha ny valin’ny fizahana nataon’ny mpitsabo. Heverina ho mamo izy ka nivarina an-tatatra. Vokatr’izany no nitarika ny fahafatesany. […]
Tara fodiana : Mpivady niara-maty lasan’ny ranotrambo
Hita ny sabotsy maraina tamin’ny 9 ora, niara-namoy ny ainy, ny mpivady avy niasa, tao amin’ny fokontany Ambatolampikely, kaominina Ambatomiady, distrikan’Antanifotsy, lasan’ny rano ny alin’ny zoma 14 febroary teo. Nivarotra toy ny mahazatra azy ireo, namonjy fodiana izy mivady. Nitaingina moto, nikasa hiampita ny renirano no sendra ny ranotrambo tampoka […]
Arivonimamo : Nanentana ny mpianatra ny zandary
Nidina ifotony teny anivon’ireo sekoly tany amin’ny CEG sy Lycée Coindre Arivonimamo, ny borigadin’ny zandary any Arivonimamo, omaly. Nanao fanentanana an’ireo mpianatra mahakasika ny ady amin’ny fiparitahan’ny zava-mahadomelina izy ireo, nandritra izany. Ankoatra izay, mba hahafahana miady amin’ny karazana herisetra mifototra amin’ny mahalahy sy mahavavy. Eo koa ny ady amin’ny […]
Kamiao nihitsoka familiana : Olona iray maty tsy tra-drano, roa hafa naratra
Renim-pianakaviana, 74 taona, maty tsy tsa-drano vokatry ny fianjeran’ny kamiao iray nandehanany, afakomaly, tany Ifanadiana. Voatsindrin’ilay fiara izy ka nitarika ny fahafatesany. Nitrangana lozam-pifamoivoizana nahafaty olona iray tany amin’ny lalam-pirenena, RNT 14, mampitohy an’Ifanadiana sy Ikongo, PK10+80, afakomaly. Niseho tao Mangalahenatra, fokontany ao ihany, kaominina ambanivohitra Ambiabe, distrika Ifanadiana, ny […]




