Na efa niniana tsy nojerena isan-tsehatra aza ny kanto ampianarina. Miharihary kosa fa mifanalavitra ny fahaiza-mampita ananan’ny mpampianatra zavakanto. Nisongadina io tranga io nandritra ny fihaonana teo amin-dry zareo ireto ny faran’ny herinandro teo, teny Andravoahangy Ambony, misy ny toeram-pampianarana tantanin’ny Valiha Académie. Manana hafanam-po hanome aina indray ny kolontsaina […]
Auteur/autrice : Adnews
Lova Ramahefason : « Mahomby ny fianarana mozika ampitain-davitra »
Endri-pampianarana mozika, manaraka ny toetrandro ny ampitain-davitra. Anisan’ireo nisantatra izany teto amintsika i Lova Ramahefason, mpampianatra gitara. Ny taona 2019 no nitsiry ny hevitra voalohany… Somary natosiky ny toe-draharaha nisy nandritra ireny vanim-potoan’ny Covid ireny izany. Nandroso ny fampianarana mozika ampitain-davitra i Lova Ramahefason, izay atao amin’ny alalan’ny “Zoom”. Toy […]
FANTINA sy FINTINA
Nibata ny fandresena tamin’ny fifidianana ny ho filohan’ny vaomieran’ny Vondrona afrikanina natao tany Addis Abeba, ilay Djibosianina, i Ali Mahamoud Youssouf. Niala an-daharana tany amin’ny fihodinana fahafito ny kandidà kenianina, Raila Odinga, raha noheverina ho misongadina. Resy tany amin’ny fihodinana fahatelo kosa, Randriamandrato Richard. Mahay jeopolitika sy diplaomasia avokoa ireo […]
Antoko Alfa : “Maika kokoa ny tena mahasoa ny vahoaka”
Nanatanteraka ny kongresiny teny Ambohimangakely ny antoko Lay fitiavana an’ny rehetra (Alfa na ny LayFar teo aloha), ny herinandro teo. Nivoitra tamin’izany fa navadika ho antoko ity fikambanana ity. Natao izany mba handraisana andraikitra bebe kokoa ary hamelona indray ny tsirim-panantenan’ny Malagasy manoloana izao fahasahiranana mandalo izao. Mankasitraka ny politika […]
Firaisan-tsaina
Izao ny fotoana tokony hanehoan’ny Malagasy fa iray vatsy iray aina tokoa izy. Tsy mijanona ho teny filamatra fotsiny fa arahina asa. Tsy vitan’ny kitsetsetra ny zava-miseho, ankehitriny. Mitaky ny fiaraha-mientana avy amin’izay tsara sitrapo. Tsy hiandrasana mpitondra fanjakana, na mpanao asa soa fa izay afaka ny mitondra ny […]




