Auteur/autrice : Adnews

Orinasa Star: Tosika ho an’ny mpianatra mba hahomby

Ankoatra ny fihariana ara-toekarena, manana ny « An­draikitry ny orinasa amin’ny fiarahamonina » (RSE) ny Star. Anisan’izany ny fanampiana amin’ny fanabeazana ny ankizy anaty fianakaviana sahirana, nefa mahomby any am-pianarana. Misy ny fiaraha-miasany amin’ny Consulat de Monaco sy ny mpiara-miombon’antoka samihafa. Mitentina 10 tapitrisa Ar ny vatsim-pianarana natokana ho an’ny tanora miisa […]

VAOVAO TAMBATRA

Hatomboka ny volana marsa ny fananganana ny tobim-pamokaran-drano 50 000m3 isan’andro eny Amoronakona. Hamokatra rano 30 000m3 isan’andro koa ny tobim-pamokarana apetraka ao Ambohitri­manjaka. Eo ihany koa ny fampitaovana ny toby mpamokatra rano ao Mandroseza, izay tafiditra ao anatin’ny tetikasa PAEP sy Tana Water III. Heverina hamokatra zezika organika 30 000 t isan-taona […]

Alaotra PC 23 : Hozaraina ny ketsa iombonana

Hita ny vahaolana ! Tara ny fotoana fanentsana ny vary vakiambiaty any Alaotra, sompitr’i Madagasikara, satria tsy ampy ny rotsakorana. Voakasik’izany ny faritra lemaka PC 23. Vahaolana noraisin’ny fitondram-panjakana ny fanaovana « ketsa iombonana » ho an’ny mpamboly. Sambany nampiharina tany an-toerana ity paikady ity, ka natao ho vala fakan-tahaka ihany koa amin’ny […]

Zazakely iray maty… : Taksiborosy nifatratra tamin’ny kamiaobe

Nampahonena ! Nitran­gana lozam-piarakodia namoizana ain’olona indray teny amin’ny lalam-pirenena fahefatra (RN4) tao Anjiajia, fokontany Marotaolana, kaominina ambanivohitr’An­tsi­fabositra, distrikan’i Maeva­tanàna, PK 266+600, omaly. Taksiborosy iray avy any An­tsirabe hihazo an’i Mahajanga no tratran’ny olana tao amin’ny hisatra (frein) ka tsy nahatazona ilay fiara. Nandeha mafy anefa ny fiara tamin’io fotoana io. […]