Raha efa voatondro ho ny 1 feborary ho avy izao no hanombohan’ny fifaninanam-pirenena amin’ny baolina kitra na ny Pureplay Football League (PFL 2025), nihemotra herinandro indray izany. Notapahin’ny Club de football elite de Madagascar (CFEM), tomponandraikitra voalohany amin’ity fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara ity, fa ny 8 sy 9 febroary […]
Auteur/autrice : Adnews
Fiaraha-miasan’ny FMI sy ny MFFT : Hamafisina ny ady amin’ny mpangalatra tany
Noraisin’ireo tomponandraikitra eo anivon’ny minisiteran’ny Fitsinjaram-pahefana sy ny fanajariana ny tany (MFFT), Anosy, omaly, ireo iraka avy amin’ny Tahirimbola iraisam-pirenena (FMI). Nivoitra tamin’izany ny fifanakalozana eo amin’ny roa tonta amin’ny hanohizana ny ezaka hiadiana amin’ny kolikoly sy ny fangalarana tany. Voatsiahy tamin’ izany ny fiaraha-miasan’ny MFFT amin’ireo rafitra samihafa, toy […]
INDRAY MIJERY
Nisy ny hetsika fampahafantarana sy fanentanana momba ny ady amin’ny famarinana olombelona. Notanterahin’ny ekipan’ny BNLTEH ho an’ny fikambanana Mitsangana Fa Viavy (MFV) any atsimon’ny Nosy izany. Naneho ny fahavononany hitondra ny anjara birikiny ary hanambatra ny hery hiadiana amin’ny famarinana olombelona ity fikambanana ity rehefa nahazo ny tsara ho fantatra […]
FAMPIANARANA AMBONY: Mifototra amin’ny laharam-pahamehana dimy
Nihaona tamin’ireo mpiara-miombon’antoka ara-teknika sy ara-bola ny minisitra, Pr Chaminah Loulla. Natolotra nandritra izany ireo vina sy tetikasan’ny minisitera izay an-dalam-panatanterahana sy mbola ho avy. Tanjona ny fampivelarana ny fampianarana ambony sy ny fikarohana ara-tsiansa ho tena fitaovana fampandrosoana ara-toekarena sy sosialy. Miompana amin’ny laharam-pahamehana dimy ireo vina. Anisan’izany ny […]
Toetr’andro : Miha manakaiky ilay andro ratsy
Omaly atoandro, tany amin’ny 2 000 Km atsinanan’ny Tanjona Masoala no misy ny foiben’ilay faritra andro ratsy ao amin’ny ranomasimbe Indianina. Tsy hisy fiantraikany amin’ny toetry ny andro eto Madagasikara izy hatramin’ny fiandohan’ny herinandro manaraka, raha ny tomban’ny mpamantatra ny toetry ny andro etsy Ampandrianomby. Manara-maso ny fizotrany hatrany kosa […]




