Efa nambara tamin’ny fomba ofisialy tetsy Mahamasina, omaly, fa ilay frantsay, Corentin Da Silva Martins no mpanazatran’ny ekipam-pirenena Barea de Madagascar. Tsy voaresaka tao ny karamany. “Hiezaka ny tenako mba hampiakatra ny baolina kitra malagasy, ary ny hanaovan’ny Barea de Madagascar Mondial amin’ny 2026”, hoy ilay frantsay mpanazatra vaovaon’ny Barea, […]
Auteur/autrice : Adnews
FANTINA sy FINTINA
Noesorina tsy ho ambasadaoro any amin’ny Vondrona Eoropeanina sy any Bruxelles, i Beriziky Omer, araka ny didim-panjakana teo anivon’ny filankevitry ny minisitra, afakomaly teny Iavoloha. Tsy mbola notendrena kosa ny hisolo azy amin’izany toerana izany. Nanao tohivakana ireo niarahaba noho ny taona vaovao sy ny nahalany fanintelony indray ny ben’ny […]
Depiote Rajaobelina Lova Herizo : Mitaona ny vahoaka ho tony
“Nanomboka tamin’ny fifidianana depiote no hita hoe misy an’ireo tsy mahazaka ny fandresena azon’ny mpomba ny fitondrana”, hoy ny fanehoan-kevitry ny depiote voafidy tany Moramanga tamin’ny anaran’ny Iramar, Rajaobelina Lova Herizo, tany Moramanga, omaly, ny amin’ny fikasan’ny mpanohitra sasany hanakorontana noho ny tsy fanekena valim-pifidianana. Nitombo izay tsy fahazakana faharesena […]
Izay be no basy
Somary mangingina izany tanàna! Variana amin’ny mahavariana azy ny sarambabem-bahoaka. Ny mpanao politika no hany mikononkonon-javatra. Tsy fantatra mazava ny tiana hahatongavana. Ny fanambarana no mipoipoitra tsikelikely. Milaza an’izatsy na izaroa ireo mitonona ho matihanina amin’izany. Milaza indray fa sady tia tanindrazana no mitsinjo vahoaka. Indraindray dia mipetraka ny […]
Minisitra Volamiranty Dona : Tsy misangy amin’ny fanakorontanana ny governemanta
Hentitra sy nahitsy ny eo anivon’ny fitondram-panjakana. Mbola nanamafy ny minisitra, Volamiranty Mara Dona fa tsy manaiky ny tsy fanarahan-dalàna. “Hijoro sy handray ny andraikitra ny governemanta ary tsy hamela ny fitiavan-tena sy ady seza anjaka eto”, hoy izy tany Fianarantsoa, omaly. Nohitsiny fa mihatra amin’ny rehetra tsy ankanavaka ny […]




