Nambaran’ireo kandidà ben’ny Tanàna avy amin’ny Tim sy ny Firaisankina fa mitsipaka sy tsy hankato ary tsy hanaiky ny voka-pifidianana azo tamin’ny alalan’ny hosoka sy ny halatra manerana ny kaominina maro izy ireo. “Miantso ny kandidà rehetra sy ny antoko politika ary ny olom-pirenena izahay mba hitsangana sy hifanatona haingana […]
Auteur/autrice : Adnews
KMF/Cnoe: « Aoka hohajaina ny lalàna… »
Nitondra ny heviny manoloana ny resabe tamin’ny fifidianana ben’ny Tanàna farany teo ny eo anivon’ny KMF/Cnoe. Notsiahivin’izy ireo, tamin’izany, ny momba ny lalàna. “Tsy mahagaga raha misy fifandroritana, fa tsy mipetraka ny fomba famakiana ny lalàna”, hoy ny filoha nasionalin’ny KMF/Cnoe Fanabeazana olom-pirenena, i Namearison Robert, tany Morondava, ny faran’ny […]
Tselatra
Raim-pianakaviana iray maty voatifitry ny jiolahy teo amin’ny faritry ny tratrany, tao Mantasoa, omaly. Nitondra fitaovam-piadiana mahery vaika, nandroba tao amin’ny tokantrano fonenan’io rangahy io ireo jiolahy, tamin’ny 2 ora tolakandro. Norobain’ny jiolahy ny toeram-pivarotam-panafody ao Soavimasoandro, afakomaly atoandro. Niditra toy ny mpanjifa rehetra, nambanan’ny olon-dratsy basy ny mpiasa. Niantso […]
Analakely: trano telo kilan’ ny afo
Nitrangana haintrano mahatsiravina teo Analakely, boriborintany voalohany, ny sabotsy 11 janoary maraina teo. Vao mangiran-dratsy, nidonan-tsetroka ka vetivety nivadika afo. Naharay antso ny avy eo anivon’ny Vondron’ny mpamonjy voina tamin’ny 3 ora maraina sy 14 minitra maraina. Nirehitra ny trano lehibe iray eo Analakely, anoloan’ny Lycée J J Rabearivelo. Telo […]
Ambatofotsy: jiolahy tratra teo am-panosehana moto halatra
Tratra teo am-panosehana moto halatra ny jiolahy telo, teny ambatofotsy, ny alahady tamin’ny 1 ora maraina. Nanao ny asa fisafoana teny an-toerana ny zandary, notarihin’ny kaomandin’ny zana-tobim-paritra Ambatofotsy. Nandritra izany, nahita telo lahy mampiahiahy nanosika moto nandalo teo ambony tonelina manamorona ny lalam-pirenena fahafito (RN7) izy ireo. Nitsoaka avy hatrany […]




