Auteur/autrice : Adnews

Taratry ny kanto

“Conference Live” miaraka amin’i Silo. “Avy any amin’ny aingampanahy, mankany amin’ny hira vita”. Ao anatin’izay fotoana nanaovany ny tolotra fanohanana ireo mpamoron-kira izay i Silo amin’izao fotoana izao. Hofaranany, anio, etsy amin’ny ADMC-Craam Ankatso izany, manomboka amin’ny 3 ora tolakandro. Atrikasa, velakevitra arahina fampisehoana io. Tafaverina indray ny hetsika ara-javakanto […]

Fondation H Ambatomena: hizara ny fahaiza-manaony ry Aina Zo R.

Tanterahina anio, eny amin’ny Fondation H Ambato­mena, ny tafa sy dinika iarahana amin’i Aina Zo Rabe­ranto sy i Miora Rajaonary. Manodidina ny fampirantiana « Lamba » no tena resahina ao anatin’izany. Ho hita ao anatin’izany ny hevitra fonosin’ireo zavakanto mandravaka ny fampirantiana. Eo ihany koa ny fomba maro samihafa nampiasain’ny Malagasy iza­ny […]

Faha-35 taonan’ny Faribolana Sandratra: mpanoratra 40 nomena ny mariboninahitry ny kanto

Anisan’ny fikambanana “zoky” namolavola talenta maro ny Faribolana Sandratra. 35 taona aty aoriana, notoloran’ ny fanjakana mariboninahitra ireo mpikambana maro ao anatiny, ho fankasitrahana sy ho fampirisihana azy ireo hanohy ny ezaka vitany. Nampiakarina ho eo amin’ny laharan’ny “Com­mandeur des arts, des lettres et de la culture” ny poeta, mpanoratra […]

Fantina sy fintina

Nitaky ny fampitahana ny taratasy firaketana voka-pifidianana (PV) avy any amin’ny Ceni sy ny avy amin’ireo kandidà, i Fanirisoa Ernaivo, araka ny fanehoan-keviny, omaly. “Fomba iray ahafahana mamoaka valim-pifidianana tena izy sy marina izany”, hoy izy. Nanteriny fa tsy hanaiky ny voka-pifidianana feno hosoka sy tsy nanara-dalàna ny tenany. Nirary […]