Auteur/autrice : Adnews

Fiatrehana ny fahavaratra: nidina an-kianja ny tomponandraikitry ny Apipa

Anaty vanim-potoan’ny fahavaratra isika, mihetsika ny herivelona rehetra handrindrana ny fiatrehana ny orana sy ny fotodrafitrasa manodidina. Omaly, nijery ireo olana ma­nakana ny fikorianan’ny rano teny amin’ireo faritra maromaro teto an-dRenivohitra ny filohan’ny delegasionina manokan’ny tanànan’Antananarivo , i Alexandre Georget, sy ny mpi­­ara-miasa aminy, ny tale jeneralin’ny Apipa ary ny […]

Toetr’andro: vinavinaina hatanjakabe ilay rivodoza miforona

Mivoatra tsikelikely ilay faritr’andro ratsy ao amin’ny ranomasimbe Indianina. Heverina hampiova ny toetry ny andro any avaratry ny Nosy izany amin’ny faran’ny herinandro. Vinavinaina hatanjaka ihany koa ity rivodoza ity. Hanambana ny ilany avaratra atsinanana na afovoany atsinanan’ny Nosy, ny sabotsy ho avy izao, ilay andro ratsy miforona ao amin’ny […]

Taratry ny kanto

Anisan’ireo handray anjara amin’ny « Festival de rire 2025 » i Miranto Godar, mpanao hatsikana manana ny lazany, nipoitra tao anatin’ny dimy taona farany. Anisan’ny hahafantarana azy ny tsikiny vantany vao hita. Zary lasa anto-pivelomana ho azy moa ny hatsikana noho izay talentany izay ka lasa mpanao hatsikana matihanina sy […]

Fondation H: voaravaka hetsika ara-javakanto ny janoary

Misokatra sy ahitana hetsika maro samihafa eny amin’ny Fondation H Ambatomena, na mbola andro vitsy aza no niantombohan’ny taona. Ankoatra ireo fampirantiana mandravaka ity ivontoerana ity, amin’izao fotoana izao, hita eny an-toerana ny atrikasa natao ho an’olon-tsotra. Eo ihany koa ireo fampiofanana sy velakevitra misokatra ho an’ny rehetra. Amin’ny ankapobeny, […]

Madagascar Mozarteum: hosokafan’i Jino Ramanambohitra ny sehatra

Fanombohana miavaka! Amin’ny alalan’ny hakanton’ny feon-gitaran’i Jino Rama­nambohitra no hanokafan’ny Madagascar Mozarteum ny seho karakarainy isaky ny «Dimanche clasique». Tafi­ditra ao anatin’ny fanombohana ny fankalazana ny faha-15 taonan’ny Mozarteum ity an­diany faha-18 ity. Fampise­hoana an-tsehatra hotanterahina ao amin’ny Alliance Française d’Antananarivo Andavamamba (AFT), ny 12 janoary izao, manomboka amin’ny 4 […]