Auteur/autrice : Adnews

Andrainjato – Fianarantsoa: efitra 12 ravan’ny afo, mpianatra 260 tra-boina

Naharitra adiny roa ora mahery ny famonoana ny afo nataon’ny mpamonjy voina tao amin’ny trano fonenan’ny mpianatra Cité Prefat N ao Andrainjato Fianarantsoa, afakomaly. Niantomboka tamin’ny efitrano iray ny firehetana, tamin’ny 9 ora alina. Niitatra tao anatin’ny minitra vitsy monja tamin’ireo efitra nifanila taminy izany. Nikoropaka samy namoaka izay entana […]

Ao anatin’ny telo andro ho avy : Ho maina ny andro amin’ny ankapobeny

Mbola hitohy hatrany ny orana tandrifin-drahona ho an’ny faritra afovoany andrefana sy avaratra andrefan’ny Nosy, manomboka androany hatramin’ny alatsinainy ho avy izao, raha ny fampahafantarana navoakan’ny foibe famantarana ny toetr’andro. Ho maina kosa ny any amin’ny faritra ambiny re­hetra, raha ny vinan’izy ireo hatrany. Ho an’ny toetr’andro, anio manokana, hisy […]