Fahasahiran’ny ray aman-dreny amin’izao fotoana izao ny mitady mpikarakara ny zanany. Noho ny fitadiavana isan’andro dia tsy manam-potoana ho an’ny ankizy izy ireo. Manoloana izany, efa misy ny fikambanana manome tolotra mifanaraka amin’ity karazana filana ity. Anisan’ ireny ny Fikambanana mikarakara zokiolona sy miahy ara-tsosialy eto Madagasikara (Fimibeama) eny Ambodivondava […]
Auteur/autrice : Adnews
Taona 2025: Alakamisy ny ankamaroan’ny andro tsy fiasana
Araka ny tetiandro ao amin’ny alimanaka taona 2025, mahatratra 12 andro no tsy iasana eto amintsika mandritra ny taona. Ny sabotsy 8 marsa no voalohany, hanamarihina ny Andro momba ny zon’ny vehivavy. Efa andro tsy iasana ny sabotsy ho an’ny ankamaroan’ny mpiasa ankoatra ireo sehatrasa sasany amin’ny sehatra tsy miankina. […]
Oniversiten’i Fianarantsoa: Nametrahana ny tetikasa Madatlas
Anisan’ny misitraka ny tetikasa Madatlas ny Oniversiten’Andrainjato. Angady nananana izany ny Fandaharanasa “Partenariats académiques Afrique-France”. Oniversite iray hanatanterahana ny tetikasa Madatlas ny ao Fianarantsoa. Tetikasam-panofanana iarahan’ny Oniversiten’i Fianarantsoa sy ny Université de Gustave Eiffel, ny Université de Bordeaux Montaigne ary ny Institut de recherche pour le développement (IRD). Nanomboka ny […]
Zavakanto : Mila beazina ny mpanjifa
Nanjary sarotra ny mamaritra ny hoe «zavakanto»? Anisan’ny antony mahatonga izany ny gaboraraka ao anatin’ny zavakanto. Na ireo ray aman-dreny heverina fa aro riaka voalohany aza, tsy mahavita mananatra ny zanany intsony. Tahaka izany koa ny any an-tsekoly sy eny anivon’ny fiarahamonina. Mila beazina ny mpanjifa ny zavakanto. Ampahafantarina azy […]
fanovana toe-tsaina : Taonan’ny asa sy fandrosoana ny 2025
Mandroso ny taona. Tokony handroso manaraka izay ihany koa ny kolontsaina sy ny zavakanto malagasy. Ny tsy vita, mila vitaina. Ny vita, hatsaraina… Mbola maro ny asa miandry ! Sehatra anisan’ny midadasika be ny tontolon’ny kolontsaina sy ny zavakanto malagasy. I Madagasikara rahateo itoeran’ny «tsimanampaharoa» raha momba ireo. Maro be […]




