Auteur/autrice : Adnews

VAOVAO TAMBATRA

Eo am-panomanana ny fanisana ankapobeny ny ara-pambolena, andiany fahatelo (Statagriel), ny fanjakana. Miahy azy ny minisiteran’ny Fambolena sy ny fiompiana. Nampiofana ny ekipan’ny Vondrona mpanatanteraka ny fani­sana ny FAO. Ahafahana manapa-kevitra ny fananana antontanisa marim-pototra momba ny fambolena, ny fiompiana ary ny jono. Natao ny 19 desambra teo ny fampio­fanana […]

Base Toliara : Hajaina ny kolontsaina

Misy mponina manana fasana ao amin’ny fari-pitrandrahan’ny Base Toliara any Ranobe. Araka ny voasoratra ao anatin’ny bokin’andraikitra, misy ny fifanarahana natao tamin’ny mponina hamindrana ireo fasana, sady hatao manara-penitra. Nilaza ny mpahay ny maha olombelona (anthropologue), Tsimitamby, fa miisa 38 ny fasana efa nafindra, talohan’ ny desambra 2019, nampihatoana ny […]

Base Toliara: Hajaina ny lalàna sy ny fomban-tany

Fanapahan-kevitry ny fanjakana foibe ny nanokafana indray ny Base Toliara. Manaja ny fomban-tany koa anefa ny orinasa satria zava-dehibe ny soatoavina eny ifotony. Taorian’ny tany Ankilimalinike sy Toliara I, ny kaominina Tsianisiha indray no nampahafantarana ny vahoaka ny fiverenan’ny fisokafan’ny orinasa Base Toliara, ny 21 de­sambra 2024 teo. Nilaza ny […]

Haparitaka eto an-dRenivohitra : Roa lahy nahatrarana rongony

Naiditra vonjimaika eny amin’ny fonjan’Antanimora, ny sabotsy teo, ireo roa lahy voarohirohy ho tompon’antoka tamina trafikana rongony. Sa­ron’ny polisy teo Ambohi­jatovo, ny 18 desambra 2024 tamin’ny 9 ora alina, izy roa lahy ireto, niaraka tamin’ny rongony tanaty gony miisa 24. Nentina tamina fiara 4×4 ireto zava-mahadomelina ireto. Nandritra ny fisafoana […]

Mirehitra ny afo ao Toliara : Tsy manaiky voka-pifidianana ny mponina

Tsy manaiky ny vokatra vonjimaika navoakan’ny Structure provinciale Ad’hoc pour le traitement des résultats des élections communales (Spatrec) ny mponina ao Mitsinjo Betanimena. Voalaza fa samy hafa ny vokatra navoakan’ny SRMV Toliara II, ny 16 desambra 2024 teo, sy ny vokatr’ity rafitra voalaza etsy ambony ity. Araka izany, nirohotra nitokona […]