Auteur/autrice : Adnews

Minisiteran’ny Mponina sy ny firaisankina : Nanaovana asa sosialy avokoa ny sokajin’olona marefo

Nanao tombana ny minisitry ny Mponina sy ny firaisankina, Aurélie Razafinjato, omaly, tetsy Anosy, mahakasika ny asa vita tamin’ity taona ity. Samy nahazo ny anjarany avokoa ireo sokajin’olona marefo. Efa nahatsiaro ireo ankizy rehetra any amin’ny akany fitobian’ireo sahirana ny fanjakana, toy ny tao amin’ny Ex Mad Cap sy Seba. […]

Orange Solidarité Madagascar: Nizara fanomezana ho an’ny ankizy marary

Mizara hafaliana amin’ireo ankizy marary ny Orange Soli­darité Madagascar amin’izao ankatoky ny fetin’ny Noely izao. Ankizy maherin’ny 900 eny anivon’ireo tobim-pahasalamana manerana ny faritra no nisitraka fanomezana avy amin’ny fikambanana. Niara-nisalahy, nilatsaka an-tsitrapo, nitety ireo tobim-pahasala­mana sy hopitaly isan-karazany ireo mpiasa maherin’ny 100 avy ao amin’ny Orange Mada­gascar sy ny […]

Bosch CT Motors: Misokatra ny magazay ao Toamasina

Magazay fahatelo ao Toa­masina, aorian’ireo roa eto an-dRenivohitra, no entin’ny CT Motors Madagascar, solon­tena ofisialy Bosch amin’izao fankalazany ny fahatelo taonany izao. Manao tolotra isan-karazany ny Bosch CT Motors amin’ny fikirakirana sy fikojakojana fiara isan-karazany. Izy izay miavaka amin’ny fahaiza-manao amin’ny fikirakirana ireo teknolojia alemaina. Mi­tondra vahaolana mifanaraka amin’ny filan’ny […]

Faritra Itasy: Omen-danja ireo toeram-pizahantany 32

Miisa 32 ireo toeram-pizahantany voamariky ny Ofisim-paritry ny fizahantany ao Itasy (ORTI). Hanome lanja ireo faritra ireo ny tomponandraikitra, hampiroboroboana ny sehatry ny fizahantany any an-toerana amin’ny alalan’ireo sakafo mampiavaka ny faritra sy ny fambolena. “Faritra anisan’ny mahasarika mpizahatany ny any Itasy noho ny fananany ny Geysers ao Analavory sy […]

Ankatoky ny faran’ny taona: Hentitra ny fanaraha-maso ataon’ny fadintseranana

Tohizana ny fampiasana ireo alika mpitsongo dia, hampiasaina ireo fitaovana moderina mampiasa faharanitan-tsaina artifisialy famantarana hosoka, hiara-hiasa akaiky amin’ireo sampana miasa eny amin’ny sisintany ny fadintseranana. Ireo no fepetra apetraky ny fadintseranana malagasy eny amin’ny seranan-tsambo sy ny seranam-piara­manidina ary ny sisintany, amin’ izao ankatoky ny faran’ny taona izao. Fo­toana […]