Auteur/autrice : Adnews

Baolina kitra – «Chan 2024» : Vonona handresy an’i Eswatini ny Barea de Madagascar

Tonga ity ny fotoana hiadiana ny tapakila hiatrehana ny “Chan 2025” ho an’ny Barea de Madagascar. Fanamby goavana no miandry an-dry zalahy dia ny handresy an’i Eswatini, amin’ireo lalao roa hifanandrinana. Lalao hatao atsy Afrika Atsimo sy Maurice. Hotontosaina anio, ao amin’ny Kianja Lucas Masterpieces Moripe Stadium, ao Pretoria Afrika […]

VAOVAO TAMBATRA

Tombanana ho vita mialoha ny vanim-potoan’ny maintany amin’ny taona 2025 ireo tetikasa fanatsarana ny famatsiana rano eto Antananarivo. Tafiditra ao anatin’izany ny tetikasa PAAEP sy ny Jirama Water 3. Dingana hametrahana ireo fotodrafitrasa hamahana ny olan’ny famatsian-drano eto an-dRenivohitra. Tanterahana any Toliara, ny 17 hatramin’ny 19 avrily 2025, ny Fihaonamben’ny […]

Base Toliara: Hisarika mpampiasa vola hafa ny tetikasa

Natao tao an-tampon-tanànan’i Toliara indray ny hetsika fampahafantarana ampahibemaso ny fisokafan’ ny Ba­se Toliara, ny alarobia 18 desambra teo, taorian’ny tany amin’ny kaominina Anki­lima­linike. Nohamafisin’ny ta­len’ny Serasera sy ny fifandraisana amin’ny rafi-panjakana, Maha­faritsy Samuel, fa tohizana ao anatin’ny 14 volana ny asa sosialy, ny fanonerana ara-bola ny tompon-tany sy fasana […]

Madagascar Airlines : Mihena 50% ny saran’ny tapakila

Tafidina hatrany amin’ny 50% ny saran’ny tapakila ho an’ny sidina anatiny ataon’ny Madagascar Airlines amin’ny taona 2025. Tolotra manokana ataony amin’izao ankatoky ny fetin’ny faran’ny taona izao. « Manan-kery ho an’ireo mividy tapakila hatramin’ny 5 janoary 2025 ity tolotra ity », hoy ny fampitam-baovaon’ny orinasa. Fotoana izao hahafahan’ireo mpandeha manararaotra ny tolotra […]

QMM: Hanohana ny fambolena lovainjafy ataon’ny tantsaha

Tetikasa RSE ataon’ny QIT Madagascar Minerals (QMM) ny fiaraha-miasa amin’ny faritra Anosy sy ny fitantanam-paritry ny Fambolena sy ny fiompiana (DRAE) any an-toerana. Nisy ny fampitaovana an’ireo tantsaha mpamboly miisa 12 000 ny alarobia teo, tany Ampasy-Nahampoana, distrikan’i Tôlagnaro. Hetsika hanohanana ny fambolen’ny tantsaha ny natao. Nisitraka masomboly, zezika ary doria […]