Ambohi-pihaonan’ireo mpandraharaha, Malagasy sy vahiny, ny ranty iraisam-pirenena momba ny mpisehatra ara-toekarena «Salon internationnal des acteurs économiques» (SIAE) andiany fahefatra atao eny amin’ny Kianja Barea Mahamasina, ny 4 ka hatramin’ny 7 jona izao. Kendrena manokana ny hampifandray ireo firenena avy any ivelany sy ny Nosy malagasy hijerena ireo soa fanararaotra […]
Auteur/autrice : Adnews
60 taona ny Mention Economie: Hametraka tsangambato lehibe
Feno 60 taona ny lalam-piofanana Toekarena, eny amin’ny Oniversiten’Antananarivo. “Tsangambato entina hanamarihina izany jobily izany ny fanavaozana sy fampanarahana fenitra ny efitrano lehibe mahazaka olona hatramin’ny 150 isa ao amin’ny Grand Amphi, fakiolite EGS”, araka ny fanazavana nentin’ny mpiandraikitra ny sampam-piofanana, ny Pr Randriamanampisoa Holimalala, omaly, teny Ankatso. Araka izany, […]
“SIW”, andiany fahavalo: Antoka ho an’ny fampandrosoana ny indostria
Tosika ho an’ny orinasa malagasy sy ny famokarana eto an-toerana ny Herinandro ho fampiroboroboana ny indostria eo anivon’ny Sadc (SIW), atao eto Madagasikara. Hojerena manokana ny fiaraha-miasa sy ny fitadiavana lalam-barotra ho fampandrosoana ny toekarena sy ny fifanakalozana ara-barotra. Hotanterahina eny amin’ny Novotel Alarobia, ny 28 jolay hatramin’ny 01 aogositra […]
JME: Zava-doza ny plastika
Vahiny manokana ho an’ny Fikambanan’ny mpanao gazety mikirakira ny tontolo iainana (AJE) ny mpampianatra mpikaroka amin’ny tontolo iainana, ny Dr Salama Jean Claude. Fotoana nentin’ny fikambanana nanamarihina ny Andro maneran-tany ho an’ny Tontolo iainana (JME), ankalazaina isan-taona, isaky ny 5 mey. Lohahevitra amin’ ity taona ity, «Atsahatra ny fandotoan’ny plastika […]
TARATRY ny KANTO
Tsy hisy ny “Makua Music Festival” andiany faharoa. Fanambarana nanaitra ny maro, nataon’i Shyn tao amin’ny pejiny io, omaly. Voalaza fa noho ny tsy mbola fisian’ny fihaonana eo amin-dry zareo mpikarakara sy ny tomponandraikitry ny kaominina ao Toamasina, izay tokony hanome fahazoan-dalana no antony. Efa amam-bolana no napetraka izany, saingy […]