Maty nisy nanindrona antsy teny Itaosy, ny alin’ny zoma hifoha sabotsy teo, i Marcy Christo, tovolahy 21 taona. Raha ny fanazavana voaray tamin’ny reniny, omaly, manao taxi-moto izy, ary matetika manao izany asa izany amin’ny alina. “Betsaka loatra ny mpanao taxi-moto amin’ny atoandro, moramora ny hanenjehana versement amin’ny alina ka […]
Auteur/autrice : Adnews
Natelin’ny rano tao Mahambo : Mpianatry ny EPP hita faty
Nifampitaona mba hitsangantsangana teny amoron-dranomasin’i Mahambo ny tovovavy miisa enina, ny alahady 18 oktobra tolakandro. Vao nilomano kelikely izy enina mirahavavy, akory ny hatairana fa nisy feo tokana niantso vonjeo tsy niverina intsony. Samy nikoropaka sy niakatra namonjy torapasika izy ireo. Tsy hita anefa ny iray izay tovovavy 14 taona […]
Nifamaly tamin-janany vavy mamo : Jeneraly maty nitambotsotra teo an-tokotany
Nosamborina hatao fanadihadiana eny amin’ny zandary, ankehitriny, ny vehivavy iray 37 taona, monina eny Ambohidrapeto, Itaosy. Ahina ho nahafaty an-drainy, jeneraly misotro ronono sy nandratra an-dreniny izy. Maty tsy tra-drano ny jeneraly iray efa misotro ronono, tamin’ny alahady alina, tokony ho tamin’ny 10 ora. Nitambotsotra tampoka, nianjera tamin’ny tany ilay […]
Slalom – “XXL Last Race” : Hotanterahina ny 7 sy 8 novambra
Ny fifaninanana karakarain’ny klioba Auto sy Cross Car de Tana (ACCT) no manakatona ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasiakra 2026, taranja Slalom. Hotanterahina ny 7 sy 8 novambra ho avy izao izany, eny amin’ny Kianja Ampilanonana Ambohimanga Rova. Andiany faha-23 iarahana hatrany amin’ny orinasa Star, miaraka amin’ny marika XXL. Nomena […]
«Ligue des champions Afrique» : Nomontsanin’ny Young Africans 4 no ho 0 ny CFFA
Ratsy ny vokatra ho an’ny CFFA, teo amin’ny lalao mandroso, anatin’ny dingana faharoa hiadiana ny ho tompondakan’i Afrika «Ligue des champions Afrique », taranja baolina kitra. Nomontsanin’ny Young Africans Tanzanie, tamin’ny isa mavesatra, 4 no ho 0, mantsy izy ireo. Fihaonana notanterahina ny sabotsy lasa teo, tao amin’ny Kianja Azam Complex […]





