Auteur/autrice : Adnews

25 taona tao anaty rap : Vahinin-dRaboussa ry 18, 3, Marion, Doubl’Enn

Izy irery, hatreto, no mpanao rap gasy nahazaka ny Lapan’ny fanatanjahantena. Niantso ireo namany hifampizara sehatra aminy Raboussa, no manomana seho ho tadidy sy ampitaina ihany koa. Herintaona toy izao, nirefotra tsara ny Lapan’ny fanatanjahantena… Fa­nokafana ny 25 taona an-tsehatra iny, ho an-dRa­boussa. Hofaranana ao ihany ny fankalazana ny 30 […]

Faritra Itasy : Notohanana ny zokiolona sy ny manana fahasembanana

461 ireo zokiolona manana karatra maha mpikambana nisitraka tantsoroka ara-tsa­kafo sy ara-pitaovana tamin’ ny minisiteran’ny Mponina sy ny firaisankina, omaly, tao Itasy. Nizara mivantana izany ny minisitra Rakotoniaina Voa­han­ginirina Cathia. Ankoatra izay, olona ma­nana fahasembanana miisa 22 ihany koa no nizarana fa­nampiana, nahitana fitaovan-dakozia sy milina fanjairana. Tanjona ny hanamafisana […]

Amadia : Mikarakara ETP ho an’ny olon-dehibe

Mikarakara hetsika Education thérapeutique (ETP) ho an’ny olon-dehibe miaina miaraka amin’ny diabeta ny fikambanana Amadia (Andia malagasy miady amin’ny diabeta), anio.Hiaraka handalina ny lohahevitra: ny diabeta sy ny tosidra izy ireo. Hitondra fampianarana amin’io fotoana io ny Dr Ramiandrisoa Lahitriniavo Ritchy. Eny amin’ny Clinique Amadia Faravohitra, manomboka amin’ny 9 ka […]

Fahaiza-mampiasa ny vaovao ara-toetr’andro : Niofana ny teknisianin’ny Faritra Androy sy Anosy

Ho fanatsarana ny fahaiza-mampiasa ny vaovao ara-toetr’andro, ho fiarovana ny mponina, nisy ny fiofanana ho an’ireo tomponandraikitra eny ifotony, mpiara-miombon’antoka ara-teknika ary teknisianina. Taorian’ny fiofanana ho an’ny mpanao gazety sy mpanentana amin’ny onjampeo tao Vatomandry, nanohy ny fampiofanana ny ekipan’ny Foibe famantarana ny toetr’andro. Tao Ambo­vombe no nanatontosana izany, nanomboka […]

SOMBIM-BAOVAO

Misaona ny tontolon’ny tsipy kanetibe Analamanga. Nodimandry ny talata lasa teo Ravelo­nanosy Jean Marc Claude, fantatry ny maro amin’ny solon’anarana Coucounou. Ankoatra ny naha mpilalao azy, efa filoha lefitry ny Club CBT Antananarivo ihany koa Itompokolahy. Miatrika fiofanana eto Analamanga, nanomboka ny talata lasa teo, ireo mpitsara amin’ny baolina kitra […]