Auteur/autrice : Adnews

Lisi-pifidianana : nampiahiahy ny fahazoana “ordonnance”

Tamin’ny ankapobeny, ni­zotra araka izay niheverana azy ny fifidianana ben’ny Ta­nàna sy mpanolotsaina, omaly, araka ny tatitry ny teo anivon’ ny Ceni, Alarobia. Na izany aza, nampiahiahy be ny sasany ihany ny amin’ny fahazoana didy hitsivolana (ordonnance) hisoratana amin’ny lisi-pifidianana. Nilaza, ohatra, ny kan­didà mpanolotsaina, Antana­narivo Renivohitra, Ravololo­manana Lalatiana, teny […]

Filoha Rajoelina Andry : “Tokony hanaiky faharesena izay resy”

“Ao anatin’ny fifidianana, tsy maintsy iray no ho ben’ny Tanàna amin’ireo kandidà, fa tsy izay mirotsaka rehetra no ho ben’ny Tanàna. Amin’ny maha manaja ny fenitra demokratika an’i Madagasikara, izay voafidy ho ben’ny Tanàna manerana an’i Madagasikara dia ekentsika sy tohanantsika ary hampiantsika”. Io ny tenin’ny filoha Rajoelina Andry, taorian’ny […]

Fifidianana ben’ny Tanàna : Mbola mifandanja ny Irmar sy ny Tim

Porofoin’ny vovonana Irmar sy ny Tim fa mbola azy ireo aloha ny tanànan’Antananarivo. Mifandanja ny vaton-dRavalomanana Tojo sy Ramanantsoa Harilala. Na mitarika vonjimaika aza ity farany. Tontosa omaly, ny fanda­tsaham-bato tao anatin’ ny zotram-pifidianana ben’ny Tanàna sy mpanolo­tsaina manerana an’i Mada­gasikara. Tsapa fa niakatra ny taham-pahavitrihan’ny mpifidy. Raha ho an’ny […]

FAMOKARANA KARBONINA : MITERAKA OLAM-PIARAHAMONINA AO IHOROMBE NY FANOMEZANA TANY HO AN’NY TOZZI GREEN

Trangam-piarahamonina iray efa niseho aman-taonany maro ao amin’ny faritra Ihorombe ny olan’ny fananantany ateraky ny tetikasa Tozzi Green. Betsaka ny fampanantenana natao ho an’ny mponina saingy tsy ampy ny fanatanterahana. Tsy tanteraka ny bokin’andraikitra, miteraka olana ny voly hazo lazaina fa mamokatra karbonina, gadraina ny mpisintona lakolosy sy ny mpiaro […]

VAOVAO TAMBATRA

Hatao ny 12, 13 ary 14 desambra ny foara « Noelin’ny Asa tanana » etsy amin’ny Kianja Barea Mahamasina, andiany faharoa. Hampisongadinana ny fahaiza-manaon’ny Malagasy amin’ny famoronana, ny fiangaliana, toy ny kojakoja, firavaka, ny fitafy sy akanjo, ny sakafo, sy ny hafa. Hisy koa ny fampisehoana famokarana, fisakafoana, sns. Mitotaly 4 700 ny […]