Porofoin’ny vovonana Irmar sy ny Tim fa mbola azy ireo aloha ny tanànan’Antananarivo. Mifandanja ny vaton-dRavalomanana Tojo sy Ramanantsoa Harilala. Na mitarika vonjimaika aza ity farany.
Tontosa omaly, ny fandatsaham-bato tao anatin’ ny zotram-pifidianana ben’ny Tanàna sy mpanolotsaina manerana an’i Madagasikara. Tsapa fa niakatra ny taham-pahavitrihan’ny mpifidy. Raha ho an’ny fironan’ny vokatra indray, manjaka ny kandidà tohanan’ny fitondrana sy ny avy amin’ny mpanohitra amin’ny ankapobeny. Eo am-piandrasana ny vokatra, niantso ny vahoaka ho tony sy handray ny andraikitra manandrify azy tsirairay ny filoham-pirenena Rajoelina Andry.
Manodidina ny 30% ny taham-pahavitrihan’ny mpifidy, araka ny tarehimarika vonjimaika. « Ambany ny taham-pahavitrihana ary ambony kosa ny tahan’ny tsy fahatomombanana sy ny fitarainana », hoy ny avy amin’ny Safidy, izay anisan’ireo sampana mpanara-maso ny fifidianana. Raha ny hita teny amin’ny birao fandatsaham-bato, ireo zokiolona no tena mavitrika mandeha mifidy.
Tany amin’ny faritra Androy sy Anosy no nahitana taham-pahavitrihana ambony indrindra. Tao amin’ny faritra Diana sy Boeny kosa no nahitana taha ambany indrindra. Anisan’ ny nahitana fitarainana sy tsy fahatomombanana kosa ny teto amin’ny faritra Analamanga. Tsy fisokafan’ny biraom-pifidianana tamin’ny ora voatondro, fisian’ny biletà efa voahisy marika mialoha, olona tsy tokony hifidy kanefa navela hifidy. Ireo amin’ny ankapobeny ny tsy fahatomombanana niseho omaly.
Mbola hita taratra ny tanjaky ny vovonana mpanohana fitondrana. Toraka izany koa ny antoko Tim. Mitovitovy avokoa ny tany amin’ny tanàn-dehibe eto Madagasikara. Ny kandidàn’izy ireo no mitana ny laharana voalohany sy faharoa.
Lin




