Filoha Rajoelina Andry : “Tokony hanaiky faharesena izay resy”

“Ao anatin’ny fifidianana, tsy maintsy iray no ho ben’ny Tanàna amin’ireo kandidà, fa tsy izay mirotsaka rehetra no ho ben’ny Tanàna. Amin’ny maha manaja ny fenitra demokratika an’i Madagasikara, izay voafidy ho ben’ny Tanàna manerana an’i Madagasikara dia ekentsika sy tohanantsika ary hampiantsika”. Io ny tenin’ny filoha Rajoelina Andry, taorian’ny nandatsahany vato teny amin’ny Lycée agricole Ambatobe, omaly. Izay no zava-dehibe ao anatin’ny rafitra demokratika. Tokony hanaiky faharesena kosa izay resy. Toy ny fifaninanana rehetra io. Tsy izay resy dia hanakiana hoe mangalatra ny mpitsara na hoe misy hosoka ny fifidianana.
“Manan-jo hifidy ny olom-pirenena tsirairay avy. Tsy azo verezin-jo ny olom-pirenena”, hoy kosa izy momba ny fakana didy hitsivolana hahazoana misoratra anarana amin’ny lisi-pifidianana. Nampahafantarin’ny Ceni fa rehefa tsy ao anatin’ny lisitra izy dia misoratra ao anatin’izany. Be dia be ireo tsy afa-nifidy tamin’ny fifidianana filohan’ny Repoblika. Izay no nare­nina.

R. Nd.

Partager sur: