Auteur/autrice : Adnews

Vahoaka ramaka !

  Soa ihany ! Anatin’ny fototra ijoroan’ny fanjakana ny fanatsarana sy ny fandraisana an-tanana ny sosialim-bahoaka. Porofon’izany ny be midina notarihin’ny filo­han’ny Repoblika teny an-kianja omaly. Namaky lay ny tetikasa iray ho fitsimbinana ny tokantrano tena marefo izy. Tsy hijanona ho an’ny mponin’Antananarivo irery izay, fa hipaka hatrany amin’ny renivohi-paritany. […]

Fadin-tseranana : Avo lenta ny fitaovana niomerika hikirakirana ny antontam-baovao

Avo lenta ny fitaovana niomerika hikirakiran’ny sampandraharahan’ny ladoany ny antontam-baovao. Ho voasoroka ny hosoka sy ny kolikoly ary ho haingana ny fikarakarana ny mpanjifa. Nampahafantarina, omaly, ny fampiasan’ny sampandraharahan’ny haban-tseranana malagasy ny fitaovana niomerika amin’ny fitantanana ny antontam-baovao. Tanteraka izany, vokatry ny fiaraha-miasan’ny Fitanta­nana foiben’ny ladoany ma­lagasy (DGD) sy ny […]

Fanendahana: Voasambotra i Gelobe

Tra-tehaky ny polisim-pirenena miasa eo anivon’ny CSP6 i Gelobe, mpanendaka ikoizana eny amin’ny faritra Anosivavaka sy Ambohimanarina, afakomaly. Nanao ny asa ratsiny ity olon-dratsy ity teo amin’ny fiantsonan’ny fiara tao Madera. Manoloana ny feo miely momba ny fisian’ny olon-dratsy manendaka sy manao sinto-mahery amin’io toerana io, nidina ifotony nanao fisafoana […]

Nanasaraka olona niady: Zandary maty voatsindron’ny antsy

Tra-doza teo am-panantanterahana ny asany, zandary iray trobaky ny antsy tao Tsiroanomandidy, afakomaly. Novonjena teny anivon’ny hopitaly, nandalo fandidiana izy fa tsy tana ny ainy. Niharan-doza tampoka, zandary am-perinasa namoy ny ainy, omaly maraina, rehefa nialan’ny mpitsabo nenina vokatry ny tsatok’antsy nahazo azy. Nanao fisafoana tao amin’ny kaominina Fierenana, distrikan’i […]

Fandikan-dalàna : tratra ny mpamilin’ ilay taxi-be 114

Nosamborin’ny zandary ny mpamilin’ny taxi-be 114 iray sy ny mpanampy azy, omaly. Nanaraotra mpandeha, nandika lalàna izy ireo ka antony nisamborana azy. Miasa mampitohy an’Analakely sy Ambohijanahary saingy niainga teo Antanimena, nanao tapa-dalana izy ireo, ny afakomaly hariva. “Mbola nilaza ny mpanampy ny mpamily fa hatreo Ambohibao ihany no farany”, […]