Auteur/autrice : Adnews

« Slam national 15 »: hanomboka anio ny hetsika ho an’ny eto Antananarivo

Fotoan-dehibe ho an’ny « Slam national 15 » ny anio. Hotanterahina ao anatin’izany ireo hetsika samihafa mampiavaka ity fifaninanam-pirenena andiany faha-15 ity. Eo ny atrikasa iarahana amin’i Rouda, ao amin’ny Institut français de Mada­gascar (IFM) Analakely. Ma­nampy izany ny famaranana ny «Slam Media Kids& Open» eny amin’ny AFT Andava­mamba. Farany, ny fampisehoana […]

Firongatry ny haromotana: Tafiditra ao anatin’ny faritra mena i Toamasina

Anisan’ny vanim-potoana mampiron­gatra ny haromotana ny vaninandro mafana tahaka izao. Ahitana tranga maro momba izany ny any amin’ny renivohitry ny faritra Atsi­nanana. Vokany, ta­fi­ditra ao anatin’ny faritra mena mahakasika io tranga io ny any an-toerana. Mirongatra ny haromotana mahazo ny olona, izay azo avy amin’ny kaikitry ny alika, any Toa­masina, […]

FANTINA sy FINTINA

Tanterahina eny amin’ny Carlton Anosy, hatramin’ ny 6 desambra izao, ny fanamafisana ny fahaiza-manaon’ ireo mpanao gazety sy mpiasa eo anivon’ny Antenimie­ram­pirenena. Ny Commission de l’océan Indien (COI) sy ny Agence française de développement (AFD) no mikarakara ny fampiofanana. Tanjona ny hanamafisana ny fahalalan’ny mpanao gazety ny fomba fiasa ao […]

Fanitarana ny fakana didy hitsivolana : mangata-panazavana amin’ny Ceni ny KMF/Cnoe

“Mangataka ny Ceni hitondra fanazavana : inona marina ny zava-misy momba ny fitantanana ny lisi-pifidianana? Io lisi-pifidianana io no fototra hananana fifidianana marina sy mangarahara ary eken’ny rehetra”, hoy ny filoha nasionalin’ny KMF/Cnoe Fanabea­zana olom-pirenena, i Namea­rison Robert. Tany Morondava, omaly, manoloana ny fanita­ran’ny Ceni ny fahazoana mangataka didy hitsivolana […]

Malalaka ny safidy

  Herinandro katroka, amin’ny heriny anio no hisafidy izay ho ben’ny Tanàna ny vahoaka malagasy manerana ny Nosy. Efa samy vonona ny mpilatsaka hofidina sy ny mpanohana azy. Mitohy anaty filaminana ny fampielezan-kevitra, amin’ ny ankapobeny. Ny fifampihantsiana am-bava no maningantsingana eny antsefatsefan’ny fanehoan-kevitra eny. Taratry ny demokrasia daholo izany! […]