Tena ilaina ny teknika voly rakotra amin’izao vanim-potoana maintany izao. Mampihatra azy efa nanomboka ny taona 2022, Radimisolo Maria, any Anosinadibo, kaominina Manakambahiny Atsinanana, distrika Ambatondrazaka. Mpikambana ao anatin’ny fikambanam-behivavy Mirindra ny tenany. Anisan’ireo Tantsaha mpampiofana (PF) nahazo fiofanana tamin’ny Conservtion national, ao anatin’ny tetikasa Tontolo voajanahary lovainjafy, tohanan’ny Tahirimbola […]
Auteur/autrice : Adnews
« Novembre numérique » : Tanjona ny hampiroborobo ny niomerika
Hifarana rahampitso ny «November numérique» eny amin’ny Alliance française d’Antananarivo (AFT) Andavamamba. Hetsika fanao isan-taona, hampiroboroboana ny teknolojia sy ny niomerika izy ity, karakarain’ny AFT manerana ny Nosy sy ny Yas Madagascar. Hahazo vahana sy tilina amin’izany ny tanora. Tanjona ny hanosehana azy ireo ho tia karokaroka sy hanao asa […]
5 taona nikatonana : hiverina hisokatra ny Base Toliara, velombolo ny mponina
Ho afaka hihodina amin’izay ny orinasa Base Toliara, mitrandraka fasimainty. Hitondra vahaolana amin’ny fahantrana sy fampandrosoana ny faritra Atsimo Andrefana. Tinapaka nandritra ny filankevitry ny minisitra, ny alarobia 28 novambra teo, fa nofoanana ny fepetra mampihantona ny asan’ny Base Toliara. Tsiahivina fa, nanomboka ny taona 2019 no naaton’ny fanjakana ny […]
INDRAY MIJERY
Tombanana ho betsaka ny rotsakorana (hatramin’ny 80 mm ao anatin’ny 24 ora) any amin’ny ilany atsinanan’ny afovoantany sy ny atsimo atsinanan’ ny Nosy, ny faran’ny herinandro izao. Nahazo filazana fampitandremana manomboka anio sy rahampitso, Analamanga, Vakinankaratra ary Amoron’i Mania. Rahampitso i Vatovavy, Alaotra Mangoro ary ny tapany atsimon’ i Atsinanana. […]
Tetikasa Produir : nanome fitaovana ny BNGRC sy ny kaominina iasany
Nanolotra fitaovana ahafahana miatrika ny loza voajanahary sy ny tandindon-doza ho an’ny BNGRC sy ny kaominina efatra iasany ny tetikasa Produir, tamin’ity herinandro ity, teny amin’ny foiben-toeran’ny BNGRC Antanimora. Kit Sap, ampiasaina amin’ny rano sy fitaovam-piasana 1 900 no hotsinjaraina hampiasaina manomboka amin’ny fotoam-pahavaratra 2024-2025, indrindra rehefa mandalo ny rivodoza ka […]




