Nisafidy ny hitodika amin’ireo tanora mpankafy zavakanto ny CGM/ GZ, amin’ny hetsika karakarain’izy ireo manaraka. Hotontosaina ny alahady 1 desambra izao ny “Urban heart”, izay hiditra amin’ny andiany faharoa amin’ity taona ity. Fampiarahana karazan-kanto an-tanàn-dehibe amina toerana an-kalamanjana iray izy ity, ka nosafidiana manokana ny zaridainan’Anosy hanatontosana izany. Ho tafaraka […]
Auteur/autrice : Adnews
«Kalokalo tsy tontan’ny ela»: Ny Voamaintilany sy i Doda, hihira an’i Therack
Hifamotoana eny amin’ny Le 411 Ambodifasina, ny sabotsy 7 desambra izao, manomboka amin’ny 2 ora sy sasany tolakandro, ny tarika Ny Voamaintilany sy i Doda, hanatanteraka ny seho «Kalokalo tsy tontan’ny ela». Hampiavaka ity seho ity ny fihirana ny sanganasan’i Therack Ramamonjisoa, anisan’ireo mpamoron-kira kalon’ny fahiny manana ny lazany. Ho […]
Malaza indray ny « pack » : Mihamaivana ny fianarana zavakanto
Manaraka ny toetr’andro hono! Iharan’izany ihany koa ny fampianarana zavakanto. Nilaozana ny « ampitain-davitra » fa nirosoana tsikelikely indray ny fividianana « pack ». Misy ny milaza fa ampy hampivoatra ny fahaizana ny fampiasana azy io. Ao koa ny mitsipaka izany. Fahiny, fony mbola tsy nisy ny sekoly ahitana rindrina […]
Mahasalama sy hitiliana aretina : mazoto manome ra ny tanora 25-45 taona, eto Antananarivo
Mivoatra ny fahazotoan’ny olona manome ra amin’izao fotoana, raha mitaha amin’ ny taloha. 18 hatramin’ny 60 taona ny olona mpanome ra, raha ny tarehimarika isan-taona. Mazoto manome ra kosa ireo tanora manomboka eo amin’ny faha-25 taonany. Mazoto manome ra ny tanora mbola ao anatin’ny tanjaka sy ny heriny amin’izao fotoana […]
FANTINA sy FINTINA
Nankatoavin’ny filankevitry ny minisitra teny Iavoloha, afakomaly, ny firotsahan’i Madagasikara hofidina ho filohan’ny Vovonana parlemantera eo anivon’ny Sadc, taona 2024-2026, amin’ny desambra any Zambie. Manome sehatra ifanakalozan’ny parlemantera eo anivon’ny faritra io vovonana io. Tanjona ny hanamafisana ny fiaraha- miasa eo amin’ireo mpanao lalàna, eo anivon’ny vondrona. Nihaona tamin’ny papa […]




