Auteur/autrice : Adnews

Randrianandrasana Jean Jacques: miaina anaty tsy fanjarian-tsakafo lalina ny mponina

Nitondra ny feon’ny mponina ao aminy ny ben’ny Tanànan’Ampanihy , Randrianandrasana Jean Jacques, nilaza fa miaina anaty tsy fanjarian-tsakafo lalina ny mponina. Efa hatramin’ny taona 2019 no nampijaly ny rotsak’orana. Tsy misy vokatra vanona, fatiantoka aza no hita amin’ny fividianana masomboly. Maty fotsiny ny fambolena satria tsy misy orana. Nisantatra […]

SENVH: mangarahara ny fandraisana mpiasa EFA

Misy ny fandraisana mpiasam-panjakana EFA nanaovana  filazana tamin’ny haino aman-jery sy ny peta-drindrina nataon’ny sekreteram-panjakana misahana ny tanàna vaovao sy ny toeram-ponenana (SENVH) . Am-perinasa ny rafitra miady amin’ny kolikoly hisian’ny mangarahara ao anatin’izany fandraisana mpiasa izany, raha ny fanazavana nentin’ny lehiben’io rafitra io, Rakotondrabe Harisolofo. Voaaraka ny fepetra rehetra […]

Tetikasa Tosika Fiavota: havotana amin’ny fianarana ny ankizy any Androy sy Anôsy

Nanatanteraka ny fizarana ny tosika Fiavota tany amin’ny fokontany Ankirihiry, kaominina Behara, distrikan’Amboasary, faritra Anôsy ny minisitry ny Mponina sy ny fiahiana sosialy, i Soafilira Princia, ny faran’ny herinandro teo. Tokantrano 2000 tao amin’ny distrikan’Amboasary no nisitraka vola 40.000 Ar ka hatramin’ny 60.000 Ar avy, raisina isaky ny roa volana […]

Fidinana ifotony: hitokana fotodrafitrasa any Fitovinany ny filoha

Hidina ifotony any amin’ny distrikan’i Manakara, faritra Fitovinany ny filoham-pirenena Rajoelina Andry, manomboka rahampitso. Anisan’ny anton-diany any an-toerana ny fitokanana fotodrafitrasa maromaro, hitondra fampandrosoana ho an’ny faritra Fitovinany. Eo koa ny fanombohana ny asa sasany. “Mitohy hatrany ny asa fanatanterahana ireo velirano nataon’ny filoham-pirenena ary misitraka izany avokoa ireo faritra […]

Fivorian’ny eveka : hofaritana ireo laharam-pahamehana    

                “Miavaka ny fivoriana satria taorian’ny fitsidihana natao tamin’ny papa ray masina dia izao fivoriana izao no amaritan’izy ireo ny laharam-pahamehana pastoraly eo amin’ny fitantanana ny eglizy sy ny vahoakan’Andriamanitra, araka ny toromarika sy ny fifanakalozan-kevitra natao tany Roma”, hoy ny sekretera mpandrindra eo anivon’ny Fivondronamben’ny eveka (Fem), ny pretra […]