Auteur/autrice : Adnews

« Hazavana ho anao » : Fokontany valo nisitraka jiro mandeha amin’ny masoandro

Nanomboka ny fizarana jiro “Hazavana ho anao” any amin’ny faritr’i Mahajanga, amin’izao fotoana izao. No­san­tarina omaly ny hetsika fizarana izany, tamin’ireo fo­kontany valo ao anatin’ny faritra. No­tanterahina tao amin’ny kianja ao amin’ny Complexe Sportif Ampisikina, ny fizarana. Miisa 21 279 ireo jiro mandeha amin´ ny herin´ny ma­soandro miaraka amin’ny ko­jakoja […]

Mpitsoa-ponenana : Sambo nitondra somalianina rendrika tao Nosy Iranja

Rendrika tao amin’ny fari-dranomasina ao Nosy Iranja, omaly, ny sambo nitondra teratany somalianina. Efa natsingevan’ny rano ny sambo nitondra azy ireo sady efa nahitana olona maty koa tao anatiny. Nahita izany ny sefo fokontany ao Nosy Iranja, kaominina ambanivohitr’i Be­manevika Andrefana, distrikan’ Ambanja, ka nampandre haingana ny zandary avy ao […]

Faha-10 taona-Filatex-Immo : hatsangana ny « Residence Vega »

Mikendry ny hanatsarana ny tanàna hatrany ny vondrona Filatex. Ho fanamarihana ny faha-10 taona nijoroan’ny Filatex-Immo, hatsangana ny « Residense Vega ». Ho avokavoka maitso eto Iarivo, hametraka fotodrafitrasa miavaka sy tsy manam-paharoa ho mariky ny fahafolo taona nijoroany ny Filatex-Immobilier na ny Filatex-Immo. Nanomboka ni­ditra tamin’ny sehatry ny fandraharahana trano sy […]

Antananarivo Renivohitra : Hankalaza ny faha-10 taonany ny SACUA

Hankalaza ny faha-10 taona nisiany ny Syndicat autonome eo anivon’ny kaominina Antananarivo Renivo­hitra, SACUA, raha ny fanambarana nataon’izy ireo tamin’ ny mpanao gazety tetsy amin’ ny Lapan’ny Tanàna Anala­kely, omaly. Hatomboka amin’ ny faha-14 ny volana janoary 2025, eny amin’ny espace Rose, izany fankalazana izany. Antom-pisian’ny mpiasan’ny kaominina ny hanompo […]

GEPIMM: mpanao gazety enina nahazo fiofanana

Nifarana omaly ny fiofanana ho an’ny mpanao gazety nokarakarain’ny Groupement des éditeurs de presse d’information multimédia de Mada­gas­car (Gepimm), teny amin’ ny foibe toeran’ny Ultima Media Antanimena. Naharitra 5 andro ny fiofanana ary Ma­la­gasy mpanao gazety miisa enina no nahazo fiofanana mahakasika ny asan’ny «Secrétaire de rédaction”. I Thierry Olivet, […]