Auteur/autrice : Adnews

Fahasembanana: Andro iraisam-pirenena anio

Manana anjara amin’ny fampandrosoana ny firenena ny olona manana fahasembanana. “Fiaraha-mientana ho amina tontolo mahomby: ireo olona manana fahasembanana miara-tompon’antoka amin’ny fampandrosoana an’i Madagasikara” ny lohahevitry ny fankalazana noraisin’ny minisiteran’ny Mpo­nina amin’ity andro maneran-tany ho an’ny olona manana fahasembanana, ha­tao ny 3 desambra 2022, any Soavinandrina Itasy ity. “Zava-dehibe fanajana […]

Kaominina Soalandy- Antananarivo Atsimondrano: hamiratra ny tanàna, fotodrafitrasa maro hatsangana

Nitsidika ny fizotran’ny asa teny amin’ny kaominina Soalandy, Antananarivo Atsi­mondrano, omaly ny Sekreteram-panjakana misahana ny tanàna vaovao sy ny toeram-ponenana, Andr­ia­manohisoa Gérard. Misy ny fanamboarana sy fanatsarana ny tanàna tanterahina eny an-toerana. Anisan’iza­ny ny toerana fialamboly natao ho an’ny sokajin’olona rehetra tsy ankanavaka, ahitana zaridaina sy toeram-pitsangantsaganana ho an’ ny […]

Hanohizan’ny Pam ny asany : nanome vola 2,3 tapitrisa euros i Frantsa

Nahazo sora-bola 2,3 tapitrisa euros avy amin’ny fanjakana frantsay ny Fan­daharanasan’ny Firenena mi­kambana momba ny sakafo (Pam) hanatanerahana ny asa vonjy aina sy ny famatsiana ny sakafo an-tsekoly any Atsimon’i Madagasikara. Ity no famatsiana lehibe indrindra nataon’i Frantsa tao anatin’ny telo taona, araka ny fanazavan’ny solontenan’ny Pam eto Madagasikara, i […]

Orinasa tsy miankina valo: 80%-n’ny mpiasany nahavita vaksiny miaro amin’ ny Covid-19

Tsy mbola resy ny valanaretina Covid-19 nefa nihavitsy ny olona manao vaksiny sady tsy manaja ny fepetra sakana intsony ny daholobe. Efa niverina namono olona koa ny Coronavirus, ny herinandro lasa teo. 119 ny orinasa manana mpiasa mihoatra ny 300 naneho fahavononana ha­­nao vaksiny sy handresy lahatra ny mpiasany hanao […]

Sendikàn’ny mpirakidraharaha : “Tsy mpiasa an-tranon’ny minisiteran’ny Fitsarana izahay”

Mbola ady tsy vita? Na tantara mitohy ny amin’ny fahatapahana karaman’ireo mpirakidraharaha 56… “Tsy mpiasa an-trano izahay mpirakidraharaha fa nanao fifaninanana ara-dalàna, ary nahavita fianarana ny ankamaroanay, nandalo fianarana asa…”, hoy ny filohan’ny Sen­dikàn’ny mpirakidraharaha eto Madagasikara (SGM), Randriamaharo Alain Michel, afakomaly, manoloana ny fanamarinan’ny depioten’i Soalala fa ara-dalàna ny […]