Auteur/autrice : Adnews

Fanararaotana eo am-panaovana ny asa: toherin’ny OJM ny tsindry amin’ny mpanao gazety

Tsy manaiky karazana tsindry sy ny ramatahora. Namoaka fanambarana ny eo anivon’ny Holafitry ny mpanao gazety (OJM), manoloana ireo mpanao gazety miisa roa tafiditra amin’ny raharaham-pitsarana. Notsiahivin’ny fa­nambarana ny lalàna momba ny haino vaky jery, maneho fa miaro ny mpanao gazety amin’ ireo fanitsakitsahana sy fanararaotana mahazo azy ireo eo […]

Fahataran’ny karama – Antenimierandoholona: nampikatsoan’ny mpiasa ny fandinihana ny tetibola

Resa-bola ! Tsy tanteraka hatramin’ny omaly tolakandro ny fandinihan’ireo loholona ny tetibolam-panjakana ho an’ny taona 2023 noho ny fitokonan’NY mpiasa. Nitokona tsy nety nanatanteraka ny asany ireo mpiasan’ny Ante­nimierandoholona, etsy Anosy, omaly. “Tsy mbola nandray ny karama izahay raha efa nahazatra ny fahazoana izany isaky ny faha-25 amin’ny volana itsahina”, […]

Nandoro kodiarana ny mponin’Itaosy sy Ampefiloha

Efa ho lava, naneho ny hatezerany teny an-dalambe ny mponina tetsy Ampefi­loha sy Itaosy, omaly hariva. Leo ny fahatapahan-jiro ma­tetika, nanakan-dalana mi­hitsy izy ireo. Tsy nionana tamin’ny fanakanan-dalana fa nandrehitra kodiarana teny amin’ny arabe izy ireo. Nataon’izy ireo hanairana ny fitondram-panjakana ity fihetsika ity. Ho an’ny tetsy Itaosy, tsy afa-nandeha […]

Jery taratra…

Lalàna… ifampitokisana Miverina amin’ny laonina ny karaman’ireo mpirakidraharaha fitsarana miisa 56 amin’izao volana desambra izao. Nambaran’ny minisitry ny Fitsarana fa tsy misy karama, rehefa tsy misy asa. Niteraka resabe ny fanoharana ny mpirakidraharaha ho toy ny mpiasa an-trano amin’izany. Misy ny fanangonan-tsonian’ny depiote amin’ny tsy fenekena izany, fa samy mpiasam-bahoaka […]

Tsy marefo izany…

Teboka iray lehibe no andeha horesahina anio. Ny mikasika ny zon’ny olona manana fahasembanana. Mankalaza ny Andro iraisam-pirenena momba ny olona manana fahasembana rahateo isika anio. Hatramin’izao, mbola iharan’ny fanambaniana sy ny fanilikilihana hatrany izy ireny na eny anivon’ny fianakaviana, na eny anivon’ny fiarahamonina. Tsy nisy nisafidy ny hanana toe-batana […]