Auteur/autrice : Adnews

Airtel Money-Cart’In: azo aloa amin’ny finday ny entan’ny Amazon

Vita sonia ny 11 novambra teo, ny fifanarahana eo amin’ny orinasa Airtel money sy ny Cart’In. Azo atao, ankehitriny, ny man­doa ny vidin’entana any amin’ny tranombarotra lehibe any ivelany Amazon, amin’ny alalan’ny finday. Tanjon’ny fiaraha-miasan’ny roa tonta ny ha­­nomezana tolotra sahaza ny re­hetra sy azo antoka, hampitomboana ny fikirakirana ara-bola. […]

Jono madinika : mampidi-bola hatrany amin’ny 3 miliara Ar isan-taona

Mahatratra 70% ny vokatra azo avy amin’ny jono madinika eto Madagasikara. Mamelona olona 1 500 000 izany ary mampidi-bola 3 miliara Ar ao anatin’ny kitapombolam-panjakana. Azo avy amin’ny jono madinika ny ankamaroan’ny vokatra eto amintsika saingy amidy eny amin’ny tsena anatiny avokoa ny 60% amin’izany Azo avy amin’ny jono salantsalany ny 7% […]

« PLFI 2025 »: 562 miliara Ar ny tetibola ho an’ny angovo

Laharam-pahamehana ao anatin’ny volavolan-dalàna mifehy ny tetibolam-panjakana (PLFI) 2025 ny sehatry ny angovo sy ny famokarana. Hanova famindra tanteraka ny fitondram-panjakana ka ho « ampitomboina 562 miliara Ar ny tetibolan’ny minisiteran’ny Angovo ho fanampiana ara-pitaovana ho an’ny famokarana herinaratra », hoy ny minisitry ny Toekarena sy ny fitantanam-bola, Rabarinirinarison Rindra Hasimbelo, omaly, […]

Global Entrepreneurship Week (Gew) 2024: Kitro ifaharan’ny fampandrosoana ny fandraharahana

Antoka ho an’ny fampiroboroboana ny toekarena sy ny fahaiza-manaon’ny tanora ny fandraharahana. Hitondra ny anjara birikiny ho an’ny fampivelarana izany ny fankalazana ny Herinandro maneran-tany ho an’ny fandraharahana (Gew). Fotoana iray hampiroboroboana ny fandraharahana eto Madagasikara ny Herinandro maneran-tany ho an’ny fandraharahana (Gew) 2024. Tanjona ny hampirisika ny tanora sy […]

Tetikasa Volobe: Tafatsangana ny birao fiasana

Miroso ny fanatanterahana ny tetikasa Volobe. Noto­kanana ny 15 novambra teo ny birao hiasan’ny mpiasa ao amin’ny orinasa Kaompania jeneraly mahakasika ny tohodranon’i Volobe (CGHV) any Ambodimanga, kaominina Ambo­dilazana, Toamasina II. Napetraka tamin’ny 8 aogositra ny vatofototra, ka naharitra 3 volana ny asa amina velaran-tany 800 m2. Hanana tanjaka 120 […]