Auteur/autrice : Adnews

Fotoam-piotazana letisia 2024-2025 : nihena ho 28 ny mpanondrana vokatra tamin’ity taona ity

Efa ao anatin’ny fotoam-piotazana letisia ny eto Madagasikara, amin’izao fotoana izao. Somary nahitana fihenana ny vokatra miakatra sy ny mpanangom-bokatra tamin’ity taona ity. Lasa aloha loatra kosa ny fahamasahan’ny vokatra eny an-tsaha. Nosokafana ny 12 no­vambra tamin’ny 2 ora sy sasany tolakandro teo, ny taom-piotazana ny letisia eto amin’ny Nosy. […]

FANTINA sy FINTINA

Natolotry ny minisitry ny Toekarena sy ny fitantanam-bola, Rabarinirinarison Rindra Hasimbelo, omaly, teny amin’ny Lapan’i Tsimbazaza, nandritra ny fivoriambe notarihin’ny filohan’ny Antenimieram­pirenena, i Tokely Justin, ny volavolan-dalàna mifehy ny tetibolam-panjakana taona 2025. Mpiasam-panjakana vaovao 6 000 mahery no hampidirina amin’ny taona 2025, araka ny fanazavan’ny minisitry ny Toekarena. Anisan’ny ahitana […]

Fampielezan-kevitra : mampiakatra ny fandikan-dalàna ny Ceni

Manomboka anio ny fo­toan’ny fampielezan-kevitra amin’ny fifidianana ben’ny Tanàna sy mpanolotsain’ny Tanàna izay hatao amin’ny 11 desambra. Efa nisy ny kandidà nilaza sahady ny fisian’ny fampielezan-kevitra mialoha ny fotoana. Manoloana izany, manentana izay nahita sy nandre ny fandikan-dalàna ny Ceni mba hanao fitarainana eny amin’izy ireo. Voakasik’izany koa izay mety […]

Raha mba madio filalao

  Misy zavatra miseho tsy azon’ny saina eritreretina mihitsy eto amin’ity Madagasikara ity. Tena mahavariana fa ny natao hanirina no mainka mampivandravandra. Ny natao hiaro ny vahoaka sy ny marefo no mivadika manao tsindry hazolena. Tsy tahotra sy henatra fa na mpiasam-bahoaka aza no anarany, mivadika ho mpandray baikon’ny fianakavian’ny […]

Antoko Asa vita ifampitsarana (Avi) : hampandany an’i Harilala Ramanantsoa

Manao ranolava ny fanohanana ny kandidàn’ny antokon’ny fitondrana na ny Irmar. Hanohana ny kandidà Ramanantsoa Harilala ny antoko Asa vita ifampitsarana (Avi). Nanao fanambarana ny amin’ny fahavononany hampandany ny kandidà laharana fahafito mirotsaka ho ben’ny Tanànan’Antana­narivo, Harilala Ramanantsoa, ny antoko Asa vita ifampitsarana (Avi). Nandritra ny fitokanana ny foibe toeran’ny […]