FANTINA sy FINTINA

Natolotry ny minisitry ny Toekarena sy ny fitantanam-bola, Rabarinirinarison Rindra Hasimbelo, omaly, teny amin’ny Lapan’i Tsimbazaza, nandritra ny fivoriambe notarihin’ny filohan’ny Antenimieram­pirenena, i Tokely Justin, ny volavolan-dalàna mifehy ny tetibolam-panjakana taona 2025.

Mpiasam-panjakana vaovao 6 000 mahery no hampidirina amin’ny taona 2025, araka ny fanazavan’ny minisitry ny Toekarena. Anisan’ny ahitana izany ny eo anivon’ny foloalindahy, ny minisiteran’ny fahasalamam-bahoaka, ny fampianarana ankapobeny, ny fampianarana teknika ary ny fampianarana ambony.

Handray anjara amin’ny fivoriana tsy ara-potoana amin’ny Fihaonana an-tampon’ireo filoham-panjakana sy governemanta anatin’ny Sadc, hotanterahina ny 20 Novambra 2024 ho avy izao, any Harare Zimbabwe, i Madagasikara. Ny filohan’ny Repôblika, Rajoelina Andry, no hitarika ny delegasiona.

Notanterahina ny alatsinainy 18 novambra 2024 teo ny fihaonan’ny minisiteran’ny Fitsinjaram-pahefana sy ny fanajariana ny tany (MDAT) sy ny Banky eoropeanina momba ny fampiasam-bola (EIB). Tafiditra ao anatin’ny tetikasa tohanan’ny Vondrona eoropeanina ity fihaonana ity.

Partager sur: