Auteur/autrice : Adnews

Madagascar Airlines : miverina amin’ny laoniny ny sidina anatiny

« Voavaha tanteraka ireo olan’ny Magacscar Airlines izay niantraika tamin’ny sidina anatiny nataony ny herinandro teo », hoy ny fanambarana nataon’ny kaompania. Niato tamin’ny asany avokoa ireo fiaramanidina miisa telo ka nahatonga fikorontanana teo amin’ny sidina. Noho izany, nitondra vahaolana vonjimaika ireo tomponandraikitra. “Niverina amin’ny laoniny nanomboka ny sabotsy teo ny toe-draharaha […]

Taom-piotazana letisia 2024-2025 : maherin’ny 14 500 taonina ny vokatra haondrana

Miainga ao amin’ny seranam-tsambon’i Toamasina, androany, ny sambo faharoa hitondra ireo letisia malagasy ho any Eoropa. Maherin’ny 14 500 “palettes” ireo vokatra aondrantsika amin’ity taona ity. Miisa efatra ny sambo hitatitra ireo vokatra letisia ho any ivelany ho an’ity taom-piotazana 2024-2025 ity. Maherin’ny 14 500 taonina ireo vokatra aondrantsika ho an’ity taona […]

INDRAY MIJERY

Nijery ireo fotodrafitrasa tafiditra amin’ireo tetikasan’ny filohan’ny Repoblika ao amin’ny Oniversiten’i Fianarantsoa ny minisitry ny Fampianarana ambony sy ny fikarohana ara-tsiansa, ny faran’ny herinandro teo. Anton’izao fitsidihana izao ny fanaraha-maso ireo fotodrafitrasa, toy ny trano fatoriana natao hahazaka mpianatra 320. Anisan’ireo Oniversite tsara indrindra eto Madagasikara ny ao Fianarantsoa. Any […]

Fanavaozana fotodrafitrasa: notokanana ny FPVM Tsarahonenana

Notokanana ny sabotsy teo, ny fanavaozana sy fanitarana ny Fiangonana protestanta vaovao eto Mada­gasikara (FPVM) Mpanarato Tsarahonenana Andraisoro. Notokanana ihany koa ny alitara izay natao ho fahatsiarovana ny faha-15 taonan’ny fiangonana tamin’ny alalan’ny fanokanana ny tsangambato na dia efa 17 taona aza ny nijoroan’ny fiangonana. Ahit­ana rihana telo ny trano […]

Faritra iva : mirongatra ny lagaly eo amin’ny ankizy

Mirongatra ny aretina lagaly na mibontsin-drano amin’ny hoditra ho an’ny ankizy monina eny amin’ny faritra maro eto Antananarivo tato ho ato, raha ny fanadihadiana natao. Nanamafy izany ihany koa ny mpitsabo iray nanontaniana fa efa maro ireo ankizy entin’ny ray aman-dreny manatona mpitsabo voan’izy io. Mifindra amin’ny alalan’ny fifampikasohana ny […]