Mihen-danja indray ny Ariary miohatra amin’ny euro. Tafakatra 4 811 Ar ny euro iray, ny alakamisy 29 avrily teo, raha 4 731 Ar izany tamin’ny iray volana lasa, ny 30 marsa 2026. Izany hoe, nisy elanelana 100 Ar eo ho eo. Marindrano tsy nihetsika kosa ny vola dolara, izay misanda 4 135 Ar […]
Auteur/autrice : Adnews
Tetikasa Volobe 2: Hanomboka ny fanamboaran-dalana
Nifampidinika tamin’ny tomponandraikitra mitantana ny tetikasa “Volobe 2” ny minisitry ny Asa vaventy, Rafefimanana Sambilason Richard, ny alarobia 29 avrily teo. Nivoitra nandritra ny fihaonana ny fanehoan’ny fitondram-panjakana ny fahavononany hanohana ny tetikasa “Volobe 2”. Noresahina ny fanokafana voalohany ny fidirana mankany amin’ny tetikasa, taorian’ny fandalovan’ny rivodoza Gezani farany teo. […]
Ambatovy : Tompon’ny petra-bola vaovao ny Amri sy Komir
Dingana lehibe ho an’Ambatovy ny fanovana ny tompon’ny petra-bolan’ny orinasa. Ankehitriny, lasa ny Ambatovy mineral resources investment holding company (Amri) sy ny Komir indray no tompon’ny petra-bolan’ny orinasa, taorian’ny namarotan’ny Sumitomo Corporation ny anjarany manontolo. Ity farany izay nandray anjara tamin’ny fampandrosoana ny famokarana ny nikela sy kobalta tao Ambatovy […]
« Speed recruiting » an’i Yas : Tanora an-jatony mirohotra mitady asa
Filaharana lavabe no hita tetsy Andraharo, ny alakamisy 30 avrily. Tanora sy olon-dehibe an-jatony no tonga nitady asa tao amin’ny hetsika “speed recruiting” nokarakarain’i Yas Madagascar. Natao tao amin’ny Birdy, Galaxy Golf Andraharo, ny hetsika. Nanomboka ny maraina ka hatramin’ny tolakandro, maherin’ny 500 ireo mpitady asa tonga. Maherin’ny 400 tamin’izy […]
FANTINA sy FINTINA
Nomarihin’ireo tomponandraiki-panjakana tamin’ny alalan’ny diabe teto an-dRenivohitra ny fanamarihana ny fetin’ny asa, omaly. Nitarika izany ny Praiminisitra, Rajaonarison Mamitiana sy ireo mpikambana sasany eo anivon’ny governemanta ary ny PDS Antananarivo, Ralambomanana Feno. Nolalovana ny teny Anosy sy Analakely… Natao fitaovana politika hatramin’izay ny asa fanaovan-gazety, araka ny nambaran’ny filohan’ny CTOJM, […]




