Renim-pianakaviana naratra mafy voafaokan’ny taksibrosy mampitohy an’Antananarivo sy Ambondromamy, teo amin’ny PK 245, tao Antsiafabositra, kaominina Maevatanàna, afakomaly. Nentina namonjy ny CHRR ao an-toerana notsaboina io niharan-doza io. Niara-nosamborin’ny zandary ny mpamily taxi-be iray mampitohy an’i Vasaccos sy Ivato sy ny mpanampy azy, afakomaly. Nahenoana fofon-toaka sady nandeha mafy izy […]
Auteur/autrice : Adnews
Vavatenina : taolam-paty hita tao anaty gony
Milanja 4 kg ny fitambaran’ ireo taolam-paty nisy nahita tao amin’ny fokontany Ambodivato II, kaominina ambanivohitr’i Tanamarina, distrikan’i Vavatenina, omaly tolakandro. Nahazo antso avy amin’ny sefo fokontany Ambodivato ny zandary ao amin’ny tobim-paritra Vavatenina momba ny fisian’ireto taolam-paty hita tao amin’ny toerana antsoina hoe Papaimena, 400 metatra atsimo atsinanan’ny tanànan’i […]
Naiditra am-ponja : olona 24 tratra nitondra rongony 2 taonina
Nodorana omaly, taorian’ny fahavitan’ny famotorana rehetra, ireo rongony milanja 2 450 kg tratran’ny zandary avy ao amin’ny vondron-tobim-paritra Ambilobe. Nodorana tao Andavakatsantsa, fokontany Matiakoho, distrikan’Ambilobe, ireto zava-mahadomelina efa milanja 2 taonina mahery ireto. Nanatrika izany ireo solontenam-panjakana ao an-toerana nahitana ireo Olobe, ireo tomponandraiki-panjakana, ny zandarimariam-pirenena. Marihina fa olona 26 no […]
Fanafihana mitam-piadiana: tompon-trano voatifitra teo amin’ny masony
Nokendren’ny olon-dratsy teo amin’ny lohany, voan’ny bala ka naratra mafy teo amin’ny masony ny lehilahy iray tao Tsiroanomandidy. Voaroba ny omby roa. Voa roa, naratra mafy teo amin’ny masony sy ny sofiny ny raim-pianakaviana iray tao amin’ny tanànan’i Soamanga, kaominina Bemahatazana, distrikan’i Tsiroanomandidy, ny alakamisy 14 novambra teo. Andian-jiolahy nirongo […]




