Omaly, tany amin’ny 2900 km avaratra atsinanan’Antsiranana no misy ny foiben’ilay rivodoza Bheki. Sokajiana ho « Forte Tempête Tropilcale » izy. Mikisaka mianatsimo somary atsimo andrefana ny diany amin’ny hafainganam-pandeha 9 km/ora. Tsy mbola hisy fiantraikany amin’ny toetry ny andro eto Madagasikara izy ato anatin’ ny telo andro ho avy, raha ny […]
Auteur/autrice : Adnews
Hampiakarana ny voka-bary : “Omen-danja ny fikarohana momba ny fiovan’ny toetr’andro”
Nifarana omaly, teny Anosy, ny fivorian’ny Filankevitry ny minisitra andiany faha-33 amin’ireo firenena 28 mpikambana ao amin’ny Africa Rice teo ambany fitarihin’i Madagasikara, izay filohan’ny filankevitra tao anatin’ny roa taona, hatramin’ity taona ity. Hampiharina ireo tsoa-kevitra taorian’ny fizarana ny tolo-kevitra hanatsarana sy hampiakarana ny voka-bary aty Afrika. Ho an’i Madagasikara […]
TARATRY ny KANTO
“Ndao!”, iarahana amin’i Tovo J’Hay sy i Nate Tex. Anio ilay fotoana nomen’ireto mpanakanto ireto, iarahany an-tsehatra etsy amin’ny CCEsca Antanimena, manomboka amin’ny 3 ora tolakandro. Seho mirindra no tanjona, satria hanaraka lohahevitra ireo hira alahatra, ka araka izay koa ny fiakarana an-tsehatra ifandimbiasana na iarahan’izy mirahalahy. Samy eny an-tsehatra […]
Famaranana ny « Festisôva » : hiaka-dapa ireo mpanao vakisaova
Fotoan-dehibe ho an’ny vakisaova, anio. Hiakatra etsy amin’ny Lapan’ny fanatanjahantena sy ny kolontsaina Mahamasina ireo tarika maro mpiangaly izany, mandritra ny tontolo andro. Hetsika famaranana ny andiany fahafito amin’ny «Festisôva », izay karakarain’ny fikambanana Tanora mbola ho beazina, na Tambohobe izany. Tarika maro avy amin’ireo fokontany eto Antananarivo sy ny manodidina […]
Canada : tafajoro ny sampana Havàtsa-Upem
« Am-pifaliana no ilazana aminareo fa tafajoro soa aman-tsara androany 13 novambra 2024 ny Sampana Havàtsa-Upem Canada », hoy i Hajaina Andrianasolo, filohan’ny Fikambanan’ny Poety sy ny Mpanoratra Malagasy. Araka ny tatitra nataony hatrany, voafidy ho filohan’ity sampana faha-12 eo anivon’ny Havàtsa-Upem ity i Lila Ratsifandrihamanana. I Bary Randresy no sekretera jeneraly. […]




