Auteur/autrice : Adnews

“The Black Harvest Film Festival” : nisongadina ny horonantsarin’ i Luck Razanajaona

Mivelatra ary mambabo ny mpahay sy mpankafy horonantsary hatrany ny “Disco Afrika: une Histoire Malagasy” amin’ ireo toerana lalovany. Ankoatra ny lafiny teknika, anisan’ny mambabo ny mpijery ny vontoatin’ny horonantsary. Norombahin’i Luck Raza­najaona ny « Honorable mention Prize » nandritra ny “The Black Harvest Film Festival” tanterahina any Chicago, Etazonia. Nanom­boka ny […]

FANTINA sy FINTINA

Napetraka ho an’ny tombontsoan’ny vahoaka ny asa rehetra natao, araka ny nambaran’ny filoha teo aloha, Rajaonarimampianina Hery, omaly, tao amin’ ny “Facebook”. Nambarany fa betsaka ny efa vita. “Maro koa ireo mbola tokony ho notohizan’ny mpandimby saingy ambony lavitra noho ny tombontsoan’ny vahoaka ny hambom-po politikan’ny mpitondra ka izao ny […]

Fitrotroana am-bavaka ny firenena : namaly ny antson’ny FFKM i Harilala R.

Notanterahina afakomaly tolakandro, teny amin’ny FJKM Andrianarivo Fahasoa­vana, ny fotoam-pivavahana iraisam-pinoana ho fitondrana am-bavaka ny firenena sy ny hiatrehina ny fifidianana ben’ny Tanàna, indrindra ny eto Antananarivo Renivohitra. Anisan’ireo tonga namaly ny fanasana avy amin’ny FFKM ny kandidàn’ny Irmar, Rama­nantsoa Harilala. Nanatrika ny fotoana sy niara-dia taminy ihany koa ireo […]

Vahaolana ifotony

  Mbola maizimaizina be ihany ny tabilao ny amin’ny famahana tanteraka ny olana amin’ny famatsian-jiro sy rano? Eny, na tsy takona afenina aza ny ezaky ny tomponandraiki-panjakana isan-tsehatra amin’ny famahana olana. Vahaolana no ilaina fa tsy ny fampitsaharana na fampanginana ny fitarainan’ny vahoaka ny amin’izany. Zaza tsy mitomany tsy mahazo […]

Hafatry ny fivondronamben’ny eveka: “Omeo hisitraka ireo filana fototra ny vahoaka”

Nifarana omaly ny fivorian’ny Fivondronamben’ny eveka fanao isaky ny volana novambra. Nampita hafatra izy ireo tamin’izany ka nisongadina ny lafiny sosialy sy ny politika. “Asa fa tsy kabary no andrasana aminareo. Omeo fahafahana hisitraka ireo filana fototra sy filana andavanandro ny vahoaka: sakafo, kojakoja, jiro sy rano, tontolo iainana, fahasalamana, […]