Auteur/autrice : Adnews

Olan’ny herinaratra: Niketrika fitaovana ny VTM

Nampahafantatra ny fitaovana vitany, niainga amin’ny fikarohana nataony, ny Von­dron’ny tanora (VTM). Nam­baran’ny filohany, Rakotoma­laza Desiré, fa anisan’ny antony nahatonga azy ireo nikaroka sy nitady vahaolana ny fahitana ny fahasahiranan’ny vahoaka eo amin’ny delestazy sy ny fahatapahan’ny herinaratra. Eo ny fahasimban’ny fitaovana rehefa miseho izany na koa fahapotehan’ny fihariana madinika […]

« Salagnitry Fagnosafy»: Nanomezana vahana ny toeram-pitsangantsangana ao Farafangana

« Salagnitry Fagnosafy » no anarana nampitondrain’ny Fikambanan’ny zanak’Ante­saka monina eto Farafangana (Fizaa), ny hetsika ara-kolontsaina sy fanatajahantena entina hanomezana vahana ny toeram-pitsangantsanganana hitarika mpizahatany any an-toerana ny fiandohan’ny volana teo ary naharitra roa andro. Nosantarina tamin’ny filaharana avy amin’ireo foko namakivaky ny tanàna ny hetsika izay niafara tao amin’ny « phare » Amboanio […]

Kaominina Andohanilakaka: Nahazo efitrano ny EPP Sakaviro

Vita ny efitrano fianarana manaja ny maha olona ao amin’ny EPP Sakaviro Mahasoa, ao amin’ny kaominina ambanivohitra Andohanilakaka, distrikan’Ihosy. Vokatry ny famatsiam-bola madinika avy amin’ny masoivoho amerikanina, Ambasador’s Special Self-Help Small Grants Program no nahafahana nanao ny fotodrafitrasa. Mitombo avo roa heny ny efitrano fianaran’ireo ankizy 4 ka hatramin’ny 11 […]

Fiomanana amin’ny loza: Kaominina efatra nofanina hiatrika ny fahavaratra

Nisy ny fanazarantena (Somex), hiatrehana ny fahavaratra teo anivon’ireo kaominina efatra mpisitraka ny fanohanana ara-bola avy amin’ ny tetikasa Produir. Nandray anjara tamin’izany ireo fokontany miisa 20. Voalaza fa marefo amin’ny ranobe ny kaominina Antananarivo Reni­vohitra sy Bemasoandro, Andra­no­na­hoatra ary Anosizato Andrefana. Nanaovana fanazarantena, ny faran’ny herinandro teo, ireo toerana […]

INDRAY MIJERY

Mitohy ny tantsoroky ny Unesco ho an’ny minisiteran’ny Fampianarana teknika sy ny fanofanana arakasa ho fanamafisana ny fahaiza-manaon’ireo Mpanombana amin’ny Validation des acquis de l’expérience (VAE) hifehezana ny fepetra takina rehefa hanadina olona iray amin’ny VAE. Matihanina roa avy any ivelany sy avy eto an-toerana no hampiofana ireo 20 mianadahy […]